FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/01 p. 4-7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 4/01 p. 4-7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy May: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manolora boky Fahalalana na bokikely Takina, ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly. Jolay: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly.

◼ Halefanay miaraka amin’ny zavatra vita an-tsoratra ny karatry ny fivoriamben’ny distrika 2001. Arakaraka ny haben’ny kongregasiona ny isan’izy ireo. Hisy amin’ny teny malagasy sy frantsay izy io. Tsy hilaina ny manafatra azy ireo. Halefa haingana araka izay azo atao ireo karatra. Raha mila karatra fanampiny ny kongregasiona, dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14). Mila manao fanafarana izay kongregasiona rehetra maniry hahazo tranon-karatra.

◼ Ny anjara No. 3 sy No. 4 ao amin’ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 2001”, dia miorina amin’ny pejy sy fehintsoratra voatondro ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Izay manomboka amin’ny andalana somary miankavanana kely ihany no isaina ho fehintsoratra, izany hoe tsy isaina ho anisan’ny fehintsotratra ireo “Hevitry ny teny” sy ireo lohatenikely amin’ny soratra matevina na sora-mandry matevina.

◼ Tena ilain’ny Fikambanana ho ny adiresy sy ny nomeraon-telefaonina farany no ho ao amin’ny firaketana momba ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpitan-tsoratra rehetra. Tokony hameno sy handefa avy hatrany ny Fiovana Adiresin’ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha sy ny Mpitan-tsoratra (S-29) atỳ amin’ny Fikambanana, ny mpitan-tsoratra, raha misy fiovana.

◼ Tokony hanana tahiry ampy amin’ny taratasy Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Maharitra (S-205) sy ny Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Mpanampy (S-205b), ny mpitan-tsoratry ny kongregasiona. Azo hafarana ao amin’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) ireo. Mihazòna tahiry herintaona, fara fahakeliny. Hamarino raha feno tsara ireo taratasy fangatahana ho mpisava lalana maharitra. Raha tsy mahatadidy ny daty marina nanaovana batisa azy ilay mpanao fangatahana, dia tokony hanombana ilay daty izy, ary hihazona an-tsoratra azy io.

◼ Misy boky Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I, amin’ny sora-baventy omanina mba ho tombontsoan’ireo tsy mahita tsara. Hisy pejy 512 tsy misy sary io boky misy fonony malefaka mitovy habe amin’ny gazety io. Mitovy amin’Ny Tilikambo Fiambenana sora-baventy misy lahatsoratra fianarana roa ny haben’ny soratra ao. Amin’ny teny anglisy ihany aloha izao no hisy. Hampandrenesina ihany ianareo rehefa misy ny fiteny hafa. Azo soratana hoe Faminanian’i Isaia I-Sora-baventy eo amin’ny taratasy fanafarana, rehefa manafatra azy io.

◼ Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I no hianarantsika any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona manomboka amin’ny herinandron’ny 30 Jolay 2001.

◼ Raha mikasa handeha any an-tany hafa ianao, ka hamonjy ny fivorian’ny kongregasiona, na fivoriamben’ny fizaran-tany, na fivoriamben’ny distrika any, dia ny biraon’ny sampana miandraikitra ny asa any amin’ilay tany no tsy maintsy anontanianao ny daty sy ny ora ary ny toerana hanaovana fivoriana. Hita ao amin’ny pejy farany amin’ny Diary farany ny adiresin’ireo biraon’ny sampana.

◼ Bokikely Vaovao Misy:

Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara