Diniho Amim-pitandremana Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra
1 Nandritra ny telo andro nahafinaritra, dia tafangona tany amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra” isika. Nampiala ny saintsika tamin’ireo fanahian’ny fiainantsika andavanandro isika ary nifantoka tamin’ireo asa mahatalanjon’i Jehovah. Ilay fandaharana dia natao mba hampitomboana ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Teniny, sy hanatanjahana ny fifandraisantsika aminy, ary hanamafisana ny zotom-pontsika ho an’ny fanompoana. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ireo zavatra nianarantsika tany? — Jaona 13:17.
2 Mankatò ny Tenin’Andriamanitra ireo fianakaviana: Ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Aoka Ianareo ho Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra” dia nanampy antsika handinika ny toe-pahasalamana ara-panahin’ny fianakaviantsika. Tena tia ny miana-javatra ny ankizy. Ampirisihina àry ny ray aman-dreny tia an’Andriamanitra mba hanao ny fianaran’ny fianakaviany Baiboly ho ny fototra hanorenany ankohonana matanjaka ara-panahy. Raim-pianakaviana maro no miara-mandinika amin’ny zanany kely ilay bokikely vaovao hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Izany dia hanampy azy ireo hamboly fifandraisana falifaly sy mafy orina amin’i Jehovah. Ry ray aman-dreny, ampianaro hahay handinika amim-pitandremana an’ireo fihetseham-pon’Andriamanitra ny zanakareo. Asehoy ny fitiavanareo an’Andriamanitra sy ny zavatra ataony. (Sal. 103:2). Miaraha mametra sy manatratra tanjona ara-panahy ary miaraha mirotsaka tanteraka amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
3 Manazava ny lalantsika ny Tenin’Andriamanitra: Tena ravoravo isika nahazo ilay boky vaovao hoe Ny Faminanian’i Isaia — Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I. Efa tonga hatraiza izao ny famakianao io boky voalohany io? Ny bokin’i Isaia dia manambara mialoha ireo didim-pitsarana manjombona natao ho an’ireo firenena tsy tia an’Andriamanitra, sy ireo fitahiana mamirapiratra ny amin’ilay Fanjakana natao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. (Isaia 34:2; 35:10). Mampiorina finoana sy fatokisana an’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra koa izy io. — Isaia 12:2-5.
4 Rehefa mamaky ny Faminanian’i Isaia I ianao, dia hahatsapa, dieny eo am-boalohany, fa nihazona ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah i Isaia, na dia tsy nisy afa-tsy faharatsiana aza nanodidina azy. Rehefa natolotra azy ny fanasana ho tonga irak’Andriamanitra, dia namaly izy hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Ny fisaintsainana momba ny toe-tsaina feno fahavononan’i Isaia dia hampirisika anao tsy hitsahatra hitory ny vaovao tsara, sy handray anjara feno amin’ny fitoriana “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. — Matio 24:14.
5 Hanandratra ny fahalehibeazan’i Jehovah ny fandinihantsika amim-pitandremana ny asany. Koa ankamamio àry ny tombontsoanao ho mpankatò ny Tenin’Andriamanitra!