FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/00 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 9/00 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Oktobra: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa misy fahalianana, amin’ny fiverenana mitsidika, dia azo atao ny manolotra famandrihana. Manomboka amin’ny tapany faharoa amin’ny volana, dia ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 no hozaraina. Novambra: Hitohy ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Ny kongregasiona izay nahavita nizara Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 tamin’ny tompon-trano tao amin’ny fonenana tsirairay ao amin’ny faritaniny, dia mahazo manolotra ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana. Desambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.

◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika omena ao amin’ny pejy faha-21-23 amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.

◼ Ireo izay mifandray amin’ny kongregasiona iray dia tokony hanome ny taratasy famandrihana rehetra amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, na vaovao na fanavaozana, anisan’izany ny azy manokana, any amin’ny kongregasionany.

◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha dia tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana, alohan’ny handefasan’ny kongregasiona ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany an’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

◼ Manomboka amin’ny nomeraon’ny 1 Septambra 2000, dia hivoaka isam-bolana amin’ny teny assamais sy azerbaïdjanais ary tumbuka Ny Tilikambo Fiambenana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara