Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Jolay sy Aogositra: Na iza na iza amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Oktobra: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Azo atao ny manolotra famandrihana, rehefa liana ilay olona amin’ny fiverenana mitsidika.
◼ Manomboka amin’ny Septambra, dia hanao ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ny Fanapahan’olombelona — Voalanja Tamin’ny Mizana”, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany.
◼ Raha tianareo ny hanome fanampiana ara-bola ho an’ireo niharan’ny loza araka ny natiora, dia azonareo atao ny mandefa ny fanomezanareo atỳ amin’ny — Fikambanana, izay nanokana tahirim-bola ho amin’izany. Izao ny adiresiny: FI.MPI.BA.MA., B.P. 116, 105 Ivato. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1986, pejy 20-22.) Iangaviana ianareo tsy handefa akanjo, vatsy, na entana hafa atỳ amin’ny Fikambanana, na any amin’ilay toerana niharan-doza, raha tsy hoe angatahin’ny Fikambanana hanao izany angaha. Amin’izay, dia hilamina tsara ny fandehan’ny fanampiana ary hizotra tsara ny fizarana ny entana.
◼ Zavatra vita an-tsoratra misy ao amin’ny tahiry indray:
Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra — Malagasy
Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! — Malagasy
Mihira Fiderana ho An’i Jehovah (sora-baventy, tsy misy naoty) — Frantsay
Ny Fanahin’ireo Maty — Malagasy
Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? — Frantsay
◼ Kasety vaovao azo hafarana: Ry Fianakaviana — Ataovy Fomba Fiainanareo ny Famakiana Baiboly Isan’andro! (Fampisehoana Tantara, kasety iray) — Malagasy