“Tsy Very Maina ny Asa Mafy Ataonareo”
1 Endrey izany teny mampahery! Tsy very maina ny asa mafy ataonao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (1 Kor. 15:58, NW ). Mifanohitra amin’izany kosa ny amin’ireo olona izay miezaka mafy sy mandritra ny ela be, mba hanatsarana ny fari-piainany, na ny toe-bolany. Mety handranto fianarana ambony mandritra ny taona maro izy ireo, na hiasa toy ny andevo mba handrosoana eo amin’ny ara-bola. Kanefa, noho ny “fotoana sy ny sampona”, dia mety tsy hahazo ilay toerana ambony nokatsahiny izy ireo, na mety ho voatery hianina amin-javatra ambany lavitra noho izay notadiaviny. Toy ny “misambo-drivotra foana” izy ireo, ka very maina ny ezaka ataony. (Mpit. 1:14; 9:11). Tena zava-dehibe àry ny hananantsika zavatra be dia be hatao eo amin’ilay hany asa tsy ho very maina, satria haharitra izy io!
2 Ilay asa izay tena misy vidiny: Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no asa lehibe indrindra eto an-tany. Io ilay asa tsy maintsy atao, na mihaino ny olona na tsia. Tiantsika ny ho afaka hilaza, sahala amin’i Paoly, hoe: “Afaka amin’ny ranareo rehetra aho. Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.” — Asa. 20:26, 27.
3 Fifaliana toy inona moa, rehefa mihaino sy manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona! Namoy ny nenitoany ny tovovavy iray, izay nanontany tena hoe nankaiza izy — any an-danitra sa any amin’ny afobe? Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra tamim-bavaka izy, tamin’ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah, araka ny nampianarin’ny rahavaviny azy. Tsy ela dia nianatra ny Baiboly izy ary nanatrika ireo fivoriana kristianina. Nanjary nanana fomba fijery vaovao tanteraka momba ny fiainana izy, ary nanapaka ny fifandraisany tamin’ireo andian-jiolahy teny amin’ny arabe. Nitsahatra tsy nifoka sigara sy nidoroka zava-mahadomelina izy ary tsy nangalatra intsony. Hoy izy: “Ny fitiavana an’i Jehovah ihany no nahatonga ahy hiala tamin’ny fomba fiaina ratsy toy izany. I Jehovah ihany, noho ny haben’ny famindram-pony, no afaka nanome ahy ny fanantenana fiainana mandrakizay.” Tsy lany fotoana ikatsahana zavatra very maina intsony izy.
4 Na dia rehefa tsy mety mihaino aza ny olona, dia mbola manatanteraka zavatra mendrika ihany ianao. Fantatr’ireny olona ireny fa tonga nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tsy fivadihanao sy ny fahatokianao ary ny fitiavanao dia voamarina. Koa very maina àry ve ny asa mafy ataonao eo amin’ny asan’ny Tompo? Tsia!