Manao Zavatra ho Fankasitrahana ny Fitiavan’i Kristy ve Ianao?
1 Rehefa nisaintsaina ny fomba fiainan’ny Tompony ny apostoly Jaona, dia nanoratra toy izao: “Efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao [i Jesosy], dia tia azy hatramin’ny farany.” (Jaona 13:1). Mandritra izao fotoan’ny Fahatsiarovana izao, dia hitodika any amin’ilay fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nasehon’i Kristy ny saintsika. Afaka manao zavatra ho fankasitrahana an’izany fitiavana izany isika, amin’ny fanehoana finoana ny avotra, sy amin’ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny asa fitoriana, ary tahaka an’i Jesosy, dia amin’ny fiaretana “hatramin’ny farany”. — Matio 24:13; 28:19, 20; Jaona 3:16.
2 Manaova zavatra ho fankasitrahana ny fitiavan’i Kristy: Tena nanao zavatra be dia be i Jesosy, nandritra ilay herinandro farany niainany teto an-tany. (Matio 21:23; 23:1; 24:3). Amin’ny maha mpanahaka an’i Kristy antsika, isika koa dia voatosiky ny fitiavana mba ‘hikely aina amin-kery’ eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Lioka 13:24, NW ). Afaka manararaotra ireo fandaharana ho amin’ny asa fitoriana fanampiny, mandritra ny Aprily, ve ianao, amin’ny fampitomboana ny ora laninao eny amin’ny fanompoana?
3 Amin’ity taona ity, dia amin’ny alarobia harivan’ny 19 Aprily ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Firy no hanatrika an’io fisehoan-javatra miavaka io? Miankina be dia be amintsika izany. Efa nanao ny lisitr’ireo kasainao hasaina ve ianao — ny mpiara-mianatra Baiboly aminao sy ireo olona liana hafa, ny havanao sy ny olona mifampiraharaha aminao ary ny mpiara-mianatra aminao? Efa niresaka tamin’izy ireo ve ianao ka nanasa azy ireo tamim-pahatsorana? Hampahatsiahy azy ireo ve ianao, andro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana? Mila ny fanampianao ve izy ireo, mba hahatongavana any? Ireo loholona koa dia hanasa izay rehetra nanjary tsy mitory intsony. Tsy hoe latsa-danja kokoa akory ny Fahatsiarovana satria hatao amin’ny andavanandro, fa tsy amin’ny faran’ny herinandro, ka noho izany dia tsy hanatrika ny rehetra.
4 Miomàna: Tena zava-dehibe ny hiomanantsika sy hananantsika toe-tsaina tsara, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana isika. Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Paoly mba hitadidy ao an-tsaina fa zava-dehibe ilay fisehoan-javatra. (1 Kor. 11:20-26). Azonao atao ny mamaky ny toko faha-13 ka hatramin’ny faha-17 amin’ny Filazantsaran’i Jaona, mandritra ny fianaram-pianakavianareo, ary avy eo dia asao ny mpianakavy tsirairay hilaza hoe midika ho inona ho azy ny soron’i Jesosy. Aza hadinoina koa ny famakiana Baiboly isan’andro ho an’ny herinandron’ny Fahatsiarovana!
5 Lasa lalina ny fitiavantsika an’i Kristy, ary ho tonga hatrany ankoatra ny 19 Aprily. Tapa-kevitra ny hampiseho ny fitiavantsika azy mandrakizay isika! Hanampy antsika hanatanjaka izany fahatapahan-kevitra izany ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity.