Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily sy May: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manàna bokikely Takina, mba homena ny olona liana, ary miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly.
◼ Ny mpitory maniry ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily sy May dia tokony hanao ny fandaharany dieny izao, ary hanome ny fangatahany aloha be. Izany dia hanampy an’ireo loholona, eo amin’ny fandaminany ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny fanafarany gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa ampy. Tokony holazaina isam-bolana amin’ny kongregasiona ny anaran’izay rehetra nekena ho mpisava lalana mpanampy.
◼ Mirakitra ny fandaharam-potoana manontolo amin’ny fianarana ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, ity Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity. Mety hirinao ny hanao fotokopia sy hampiditra azy io ao amin’ny bokinao mba ho mora jerena.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita ilay izy, dia anaovy fampandrenesana ho an’ny kongregasiona, rehefa avy novakina ny tatitra momba ny kaonty manaraka.
◼ Hatao ny alarobia 19 Aprily 2000 ny Fahatsiarovana. Raha manana fivoriana efa fanaony ny kongregasionanareo amin’io alarobia io, dia tokony hovana ho amin’ny andro hafa amin’ny herinandro izy io, raha malalaka ny Efitrano Fanjakana. Raha tsy azo atao izany, ary ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ilay izy, dia azo ampidirina ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana hafa iray ireo anjara izay mihatra indrindra amin’ny kongregasionanareo.
◼ Ireo izay mifandray amin’ny kongregasiona iray dia tokony handefa ny taratasy famandrihana rehetra amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, na vaovao na fanavaozana, anisan’izany ny famandrihan’ny tenany manokana, amin’ny alalan’ny kongregasiona.
◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha dia tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana, alohan’ny handefasan’ny kongregasiona ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany amin’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.
◼ Ny kongregasiona dia afaka manomboka manafatra ny Watchtower Library—1999 Edition (Fitahirizam-bokin’ny Watchtower — Fanontana 1999). Io CD io dia hisy amin’ny fiteny sivy tahaka ny fanontana tamin’ny 1997, izany hoe alemà, anglisy, danoà, espaniola, frantsay, holandey, italianina, japoney, ary portogey. Mahazo manomboka manao ny fanafarany ny kongregasiona, nefa tadidio fa zavatra hafarana manokana ireo. Mandra-pahatongan’ny CD sy mandra-pandefa ny entana, dia hisy soratra hoe “Alefanay Aoriana Kely” eo amin’ny lisitry ny entan’ny kongregasiona.