FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/00 p. 1
  • “Mitoria ny Teny (...) Amim-pahamehana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mitoria ny Teny (...) Amim-pahamehana”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Tadidio Foana fa Asa Maika ny Fitoriana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ilaina maika dia maika ny mpiasa betsaka kokoa hanao ny fijinjana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Efa Masaka Hojinjaina ny Vokatra!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Fampitomboana ny Fitoriana eo Am-panakekezan’ny Farany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 2/00 p. 1

“Mitoria ny Teny (...) Amim-pahamehana”

1 Raha maharay zavatra misy soratra hoe “MAIKA” ianao, ahoana no ho fihetsikao? Ny teny hoe “maika” dia midika hoe “tsy azo ampiandrasina ela, tsy maintsy hatao haingana”. Misy antony tsara nanomezan’ny apostoly Paoly ny Kristianina toromarika mba ‘hitory ny teny amim-pahamehana’. (2 Tim. 4:2, NW ). Moa ve ny fihetsikao mampiseho fa tsy mampiandry ela io asa io ianao, ka manao azy haingana?

2 Mety ho nisy nanao tatitra tamin’i Paoly hoe nitady ho “malaina” ny sasany tamin’ireo rahalahiny kristianina. (Rom. 12:11). Nanjary voafetra ny vokatry ny asan’izy ireo, ary koa ny fifaliana nety ho noraisiny avy tamin’ny fanampiana ny hafa.

3 Ny fomba fijerin’i Jesosy ny fanompoana: Fahafinaretana toy inona moa no hitan’i Jesosy, tamin’ny fanatontosana ny fanompoany! Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Nandrisika ny mpianany ny ohatr’i Jesosy, ary nampahery azy ireo izy tamin’ny filazana fa ‘efa masaka hojinjana ny eny an-tsaha’. (Jaona 4:34, 35). Ilay fahatsapana fahamaikana nasehony nandritra ny fanompoany manontolo dia niharihary, fony izy nilaza tamin’ny mpianany mba ‘hangataka amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra’. (Matio 9:38). Takatr’i Jesosy fa mba hitory no nanirahana azy, ary tapa-kevitra izy ny tsy hamela na inona na inona hisakana azy tsy hanao izany.

4 Ahoana ny amintsika? Ankehitriny, dia vao mainka ilaina maika noho ny hatramin’izay ny hirosoana hanao ny asa fitoriana. Any amin’ny faritra maro amin’ny tany, dia masaka hojinjana ny eny an-tsaha. Na dia any amin’ireo tany toa efa nanaovana fitoriana feno aza, dia an’arivony maro ny olona atao batisa isan-taona. Noho ny faran’ity fandehan-javatra ity mihamanatona haingana, dia misy ‘zavatra be dia be hatao eo amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Kor. 15:58, NW ). Zava-dehibe kokoa noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra ny hikelezantsika aina mafy eo amin’ny fizarana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny hafa.

5 Aoka isika hifantoka tanteraka amin’ny fitondrana ny vaovao tsara any amin’ny hafa, na eo amin’ny isan-trano izany, na amin’ny toerana hafa rehetra ahitana olona eny amin’ny faritany. Rehefa mandray anjara feno araka izay azontsika atao amin’ny asa fitoriana isika, dia mampiseho mazava tsara fa mametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika. (Matio 6:33). Hitondra fifaliana be dia be ho antsika ny fahatokiana asehontsika amin’ny fitoriana ny teny amim-pahamaikana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara