FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/99 p. 8
  • Vao Voalohany Izao eto Madagasikara!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vao Voalohany Izao eto Madagasikara!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 8/99 p. 8

Vao Voalohany Izao eto Madagasikara!

1 Hanomboka eto Madagasikara amin’ny Desambra 1999 ny kilasy voalohany amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Eto amin’ny Betela, eto Antananarivo, no hanaovana azy io, ary ho avy amin’ny faritra samy hafa eto Madagasikara sy Maorisy ary La Réunion ireo mpianatra.

2 Ny zava-kendren’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana dia ny hampiofana sy hanomana ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana mbola mpitovo, mba hiantsoroka andraikitra fanampiny eo amin’ny fanompoana. Koa satria efa miisa ho dimy tapitrisa mahery izao ny vokatra voangona, dia mitombo ny isan’ny lehilahy mahay eo amin’ny lafiny ara-panahy ilaina mba hiandry ny andian’ondry, sy hampianatra ao amin’ny kôngregasiôna, ary koa mba hitari-dalana eo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Manampy ireo rahalahy mba ho ampy fahaizana ho amin’izany zavatra ilaina izany ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.

3 Ankoatra ny fianarana be dia be ny Baiboly, dia ho tafiditra ao amin’ilay fianarana haharitra roa volana ny fandinihana ny fomba fitantanana sy fitsarana, ary fandaminan-javatra, izay mifandray amin’ny asan’ny mpiandraikitra sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Hisy koa fampiofanana momba ny fahaiza-mandaha-teny ampahibemaso. Hanisy fiheverana be dia be ny fandrosoana ara-panahin’ny mpianatra tsirairay ireo mpampianatra.

4 Iza no mahafeno fepetra? Mazava ho azy fa ambony ireo fepetra takina mba hanatrehana io sekoly io. Mba hahafenoana izany fepetra izany, dia tsy maintsy ho efa loholona na mpanampy amin’ny fanompoana fakan-tahaka ao amin’ny kôngregasiôna kristianina hatramin’ny roa taona, fara fahakeliny, ireo manao fangatahana. Ireo mpisava lalana maharitra no hofidina mialoha. Samy tsy maintsy ho mpitovo izy rehetra, ary ho eo anelanelan’ny 23 sy 50 taona. Tsy maintsy mahay mamaky sy manoratra ary miteny frantsay misosa tsara izy ireo. Ankoatra izany, dia tokony ho salama tsara izy, ka tsy hila fikarakarana na sakafo manokana.

5 Ambonin’ny zava-drehetra, ireo izay manolo-tena an-tsitrapo ho amin’ilay sekoly, dia tsy maintsy vonona sy afaka ny hanompo any amin’ny toerana mety hilana azy. Mitaky ny hananana faniriana mafy hanao ny sitrapon’Andriamanitra izany, mitovy amin’ny toe-tsaina nananan’i Isaia, izay may ny hanolo-tena hanao asa manokana iray, ka nilaza hoe: “Inty aho, iraho aho.” — Isaia 6:8.

6 Raha manana izany toe-tsaina izany ianao, ary afaka miezaka hahazo tombontsoam-panompoana fanampiny, dia azonao atao ny manoratra atỳ amin’ny biraon’ny sampana mba hahazoana fanazavana fanampiny. Toy izao no nosoratan’ny rahalahy iray nahazo diplaoma tamin’io sekoly io ary mpiandraikitra ny fizaran-tany amin’izao fotoana izao: “Amiko, dia fanomezana tsy manan-tsahala ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Io no fara tampony eo amin’ny fiainako ara-panahy. Raha mbola manana fahafahana hamerina indray ny fiainako aho, dia tsy hifidy zavatra hafa noho io mihitsy.” Mivelatra ho an’ny hafa izay mahafeno fepetra mba hanatrika io Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana io ny fahafahana handray fitahiana mitovy amin’izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara