FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/99 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 8/99 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Na iza na iza amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra dia azo atolotra, rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra. Septambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Oktobra: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.

◼ Any amin’ny firenena rehetra, amin’ny fotoana samihafa mandritra ny taona, dia misy fety tsy ara-pivavahana izay tsy handehanan’ny ankizy any an-tsekoly ary tsy hiasan’ny mpiasa. Ireny dia fahafahana tsara dia tsara handraisan’ny kôngregasiôna anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Ireo loholona dia tokony hanao fandaharana mialoha ho an’ireny fotoana ireny, ary hampahafantatra aloha be ny kôngregasiôna ny amin’izany, mba hiaraha-mitory amin’ny andro fety.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2000 miaraka amin’ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra ho an’ny Septambra ireo kôngregasiôna. Hisy kalandrie amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy.

◼ Manomboka ny 25 Aogositra 1999 ka hatramin’ny 31 Aogositra 1999, ny Betela dia hanao fanisana ny zavatra vita an-tsoratra rehetra eo am-pelatanany. Noho izany, dia tsy hisy fandefasana entana amin’ny paositra, ary tsy tokony hisy ho tonga eto amin’ny Betela mba haka na hividy zavatra vita an-tsoratra mandritra ireo andro ireo.

◼ Handefasana taratasy hofenoina ampy tsara hampiasaina mandritra ny taom-panompoana 2000 ny kôngregasiôna tsirairay. Tsy tokony holanilanina foana ireny taratasy ireny. Tsy tokony hampiasaina afa-tsy amin’izay nikendrena azy ihany izy ireny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara