Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Novambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Desambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Janoary: Rehefa mety ho boky 192 pejy navoaka talohan’ny 1985, izay mety hananan’ny kôngregasiôna ao amin’ny tahiry. Ny kôngregasiôna izay tsy manana an’izany boky tranainy izany, dia afaka manolotra ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, miaraka amin’ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra Novambra, ny kôngregasiôna. Hisy amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy io Diary io. Mandra-pahatongan’ny Diary sy mandra-pandefa ny entana, dia hisy soratra hoe “Halefanay Aoriana Kely”, eo amin’ny faktioran’ny kôngregasiôna. Zavatra hafarana manokana ny Diary.
◼ Nanjary mora kokoa ny fahafahana manao dia any ivelany, tato anatin’ireo taona faramparany. Ho vokatr’izany, dia maro amin’ireo rahalahintsika no nanao fandaharana mba hitsidika tany hafa. Matetika, izy ireo no mifandray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana mba hangataka fanazavana. Faly ireo biraon’ny sampana manome ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana sy ny fotoana fivoriana, mba hanampiana azy ireo hifandray amin’ny kôngregasiôna eo an-toerana. Afa-tsy izany, dia afaka manome toromarika momba ny fitsidihana ny sampan’ny fikambanana koa izy ireo. Asehon’ny tatitra anefa fa misy manao fanadihadiana fanampiny momba ireo fandaminana dia lavitra, ny trano ilasiana, ny zava-manintona ny mpizaha tany ary ny raharaha mitovy amin’izany. Tsy ampy fitaovana mba hanomezana izany karazam-panazavana izany ireo biraon’ny sampana no sady tsy manam-potoana ho amin’izany koa. Ampirisihina ireo mpitsidika mba hanontany any amin’izay afaka manome fanazavana, toy ny mpandraharahan’ny fanaovana dia lavitra, na ny biraon’ny mpizaha tany izay afaka manome fanazavana ho an’ny mpizaha tany.