Nandray Soa Avy Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” Isika
1 Vao volana vitsivitsy lasa monja izay isika no nanao fandaharana mialoha mba hanatrehana ny Fivoriamben’ny Distrika sy Iraisam-pirenena 1998 “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”. Nanjary fotoan-dehibe tsy hay hadinoina teo amin’ny tantara teôkratikan’ny fandaminana izany. Nankafizintsika tanteraka ireo sakafo ara-panahy tondraka noraisintsika tany amin’ireo fiaraha-mivory niavaka ireo.
2 Tena nampientam-po ny lafin-javatra iraisam-pirenen’ny fivoriambe tamin’ity taona ity. Na nisy misionera sy solontena avy any an-tany hafa na tsia tonga tao amin’ny toerana nanatrehantsika, dia nandre fitantarana tsara dia tsara isika rehetra tao amin’ny anjara ny zoma tolakandro izay nitondra ny lohateny hoe: “Fanompoana eo Amin’ny Saha Misionera”. Nampahery indrindra ny “Tatitra Momba ny fandroson’ny Asa Fijinjana” avy amin’ny faritra maneran-tany, natao isan’andro.
3 Boky vaovao mahatalanjona navoaka: Ny lahateny farany ny zoma dia namaly fanontaniana iray izay napetraky ny olona maro tsy tambo isaina tsy mahafantatra ny fahamarinana, manao hoe: “Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?” Nifarana tamin’ny famoahana ilay bokikely vaovao hoe Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika? izany lahateny mahaliana indrindra izany. Tsy isalasalana izao fa efa namaky azy io isika ary afaka mahita fa sarobidy izy io mba hanampiana ny olona hahita ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty, sy mba hampiononana ireo nidonam-pahoriana amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty.
4 Nifarana tamin’ny lahateny hoe “Ny Mpamorona — Ny Toetrany sy ny Lalany” ny fandaharana ny asabotsy tolakandro. Izany dia nitarika antsika ho amin’ilay fanatsoahan-kevitra lôjika hoe tsy maintsy misy ny Mpamorona iray. Navoaka ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? mba hampiasaintsika ho fanampiana ny hafa hahatakatra io zava-misy io. Na dia manatsara ny finoantsika manokana an’i Jehovah sy ny fahatakarantsika ny toetrany sy ny lalany aza io boky io, dia natao indrindra ho an’ireo izay mety tsy hino an’Andriamanitra na dia nahita fianarana ambony aza.
5 Fanapahan-kevitra nolanina tamim-pahatsoram-po: Nanantitrantitra ny ilantsika rehetra ‘Tsy Hitsahatra Handeha Araka ny Lalan’i Jehovah’ ny lahateny farany tamin’ilay fivoriambe. Tena nety mihitsy ny nanambarantsika ampahibemaso ny fandaniana ilay fanapahan-kevitra momba ny fahavononantsika tsirairay hifikitra, sy hanohana, ary hampandroso hatrany ny fahambonian’ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra! (Isaia 30:21). Tsy maintsy tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ireny fanapahan-kevitra nolanina ireny isika izao. Endrey izany fandrisihana ara-panahy tsara dia tsara noraisintsika tamin’ny fanatrehana iny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” iny!