Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Febroary: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na ny olona iray notendreny dia tokony hanamarina ny toe-bolan’ny kongregasiona ny 1 Desambra na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita ilay izy.
◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny 1999 dia ho amin’ny Alakamisy 1 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Omena mialoha io filazana io mba hahafahan’ireo rahalahy hanao famandrihan-toerana na ny fanekena ilaina ho an’ny efitrano azo ampiasaina, rehefa kongregasiona maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana ka tsy maintsy mitady trano hafa. Tokony hanao fifanarahana amin’ireo mpitantana ilay trano ireo loholona, mba hanaovana izay hahazoana antoka fa tsy hisy fanelingelenana noho ireo zavatra hafa mitranga ao amin’ilay trano. Amin’izay ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia handeha amin’ny fomba miadana sy milamina. Noho ny maha-zava-dehibe ilay fisehoan-javatra, rehefa manendry mpandahateny amin’ny Fahatsiarovana ny fitambaran-doholona, dia tokony hifantina mpandahateny iray amin’ireo loholona mahay kokoa fa tsy hifandimby fotsiny na hampiasa rahalahy iray ihany isan-taona.