FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/97 p. 3
  • Inona no Holazaiko?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Holazaiko?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fampiseho Azo Ampiasaina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Ampiasao ny boky Fanjohian-kevitra any amin’ireo fiverenana mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ampiasao Tsara ny Boky Fandresen-dahatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mampiasa ny Boky Fanjohian-kevitra ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 11/97 p. 3

Inona no Holazaiko?

Rehefa mahita olona mandray tsara eny amin’ny fanompoana isika, dia maniry ny hiverina mba hanome azy ireo fanambarana fanampiny. Kanefa, mety tsy hahazo antoka ny amin’izay holazaina isika mba hanombohana ny resaka manaraka. Mety hanandrana izao fomba fitarihan-dresaka izao ianao: Mametraha fanontaniana mahaliana iray, ary avy eo dia jereo ny boky Fanjohian-kevitra mba hampisehoana ny valiny araka ny Soratra Masina. Hanampy anao ny fananana lisitra misy fanontaniana hahafahanao hifantina iray izay tsapanao fa mety hahaliana indrindra ny tompon-trano iray. Ny lisitra eto ambany, nangonina avy tao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, dia mampiseho ny pejy ahitana ny valiny tsirairay:

◼ Manana antony tsara tokony hinoana an’Andriamanitra ve isika? (37)

◼ Tena miahy ny amin’izay manjo antsika olombelona ve Andriamanitra? (38)

◼ Nahoana isika no mihantitra sy maty? (105)

◼ Nahoana no misy faharatsiana be dia be toy izao? (111)

◼ Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra? (194)

◼ Inona no zava-kendren’ny fiainan’olombelona? (209)

◼ Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana? (229)

◼ Nahoana no misy fivavahana be dia be toy izao? (262)

◼ Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina? (268)

◼ Nahoana no zava-dehibe ny hahalalana sy hampiasana ny anarana manokan’Andriamanitra? (293)

◼ Tsy maintsy mankany an-danitra ve ny olona iray vao hahita ny tena fahasambarana? (322)

◼ Manao ahoana ny herin’i Satana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? (376)

Afaka mametraka lisitra misy fanontaniana toy izany ao anatin’ny Baibolinao na ny boky Fanjohian-kevitra ianao mba ho azo jerena haingana. Ny fananana zavatra holazaina voafaritra tsara ao an-tsaina any amin’ny fiverenana mitsidika dia hampirisika anao haneho fahatokiana amin’ny fanolokoloana ny fahalianana rehetra hitanao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara