Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Novambra: Hitohy ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Ireo kongregasiona izay nahavita ny faritaniny, tamin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 tamin’ny tompon-trano rehetra ao amin’ny fonenana tsirairay, dia afaka manolotra ny boky Fahalalana. Desambra: Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Febroary: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!
◼ Rehefa tapitra ilay ezaka manokana amin’ny 16 Novambra, ireo kongregasiona izay mbola manana Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 dia afaka mampirisika an’ireo mpitory mba hanolotra azy ireny toy ny fanolorany taratasy mivalona hafa, isam-baravarana na any an-toeran-kafa. Raha azo atao, ireo mpitory dia mahazo mamela iray ao amin’ny trano tsirairay tsy ahitana olona, nefa tsy hataony ho tazan’ny mpandalo ilay izy. Tokony hiezahana ny hizara ny ambiny rehetra amin’io taratasy mivalona misy hafatra lehibe io.
◼ Ireo kongregasiona dia tokony hanomboka hanafatra ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1998, miaraka amin’ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra amin’ny Novambra. Hisy amin’ny teny anglisy sy teny frantsay ary teny malagasy ny Diary. Zavatra hafarana manokana ny Diary ary hisy soratra hoe “Miandry” eo amin’ny faktioran’ny kongregasiona mandra-pandefa ny entana.