Olona Maro no Anampy ho Isantsika
1 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia mahazendana koa ny fitomboana hitan’ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao. (Asa. 2:41; 4:4). Tamin’ny taon-dasa, dia mpianatra vaovao 366 579 no natao batisa, izany hoe maherin’ny 1 000 isan’andro tamin’ny antsalany! Maherin’ny iray tapitrisa no natao batisa tao anatin’ireo telo taona lasa. Eny tokoa, tsy nitsahatra nanampy mpino maro ho isantsika i Jehovah. — Asa. 5:14.
2 Ireo vaovao maro be tsy manana fanandraman-javatra eo amin’ny fomba fiaina kristiana ireo dia mila ny fanampiana sy ny fampiofanan’ireo izay matanjaka ao amin’ny finoana. (Rom. 15:1). Teo amin’ireo Kristiana tany am-boalohany, dia nisy tsy ‘niezaka hanatratra ny fahamatorana’, na dia taona maro taorian’ny batisany aza. (Heb. 5:12; 6:1, NW ). Izany no antony nanasongadinan’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, lafiny sasany ilan’ny Kristiana hitomboana ara-panahy. Inona avy izy ireo, ary ahoana no azo anolorana ny fanampiana ilaina?
3 Fahazoana fahazarana mianatra tsara: Mifanaraka amin’ny toromarik’i Paoly, ny mpianatra tsara dia mianatra amim-paharisihana sy mamerimberina ary mampiasa ny “ventin-kanina” omen’ny fandaminan’i Jehovah. (Heb. 5:13, 14; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1993, pejy 12-17.) Ny fampandraisanao anjara ny mpino vaovao amin’ny resaka ara-panahy, sy ny fizaranao aminy ireo vatosoa sarobidin’ny fahamarinana hitanao tamin’ny fikarohana nataonao manokana, dia mety handrisika azy hahazo fahazarana mianatra tsara. Angamba ianao ho afaka hanasa tsindraindray vaovao iray hanatrika ny fianaranao manokana na ny fianaram-pianakavianao.
4 Fanatrehana fivoriana tsy tapaka: Ny ohatra feno fahatokiana omenao sy ny teny fampaherezana feno fitiavana ataonao dia hanampy an’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny kongregasiona hanalavitra ny lafiny iray hafa mampanahy notononin’i Paoly — “ny fanaon’ny” sasany tsy manatrika ireo fivoriana kristiana. (Heb. 10:24, 25). Ampio izy hahatakatra fa ireo fivoriana no fatorana iankinan’ny ainy ara-panahy mampifandray azy amin’ny kongregasiona. Manaova ny dingana voalohany mba hahatsapany fa raisina an-tanan-droa ho anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy izy.
5 Fanatonana an’i Jehovah amim-patokiana: Mba handresena fahalemena ara-nofo sy kileman-toetra, dia tsy maintsy mitady an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka isika, ka maneho aminy ny eritreritsika lalina indrindra sy ny fanahiantsika miafina indrindra. Ireo vaovao dia tsy maintsy mianatra fa tsy mila ny misalasala izy ireo, raha ny amin’ny fitalahoana ny fanampian’i Jehovah, araka ny nampirisihan’i Paoly. (Heb. 4:15, 16; 10:22). Ny fitantaranao ny fanandraman-javatrao manokana amin’io lafiny io dia hanatanjaka ny fatokian’ny vaovao iray ny hoe mihaino ny vavaka feno fahatsorana i Jehovah.
6 Fanokanana fotoana ho amin’ny fanompoana: Nampiseho koa i Paoly fa rehefa ‘manatitra fanati-piderana ho an’Andriamanitra’ isika, izany dia manatanjaka antsika ara-panahy. (Heb. 13:15). Afaka manasa mpitory vaovao iray hiaraka aminao eo amin’ny fanompoana fanaonao isan-kerinandro ve ianao? Angamba ianareo ho afaka hanomana ny fomba fampisehonareo, na handinika lafiny iray amin’ny fanompoana izay mbola tsy nandraman’ilay mpitory vaovao.
7 Loharanom-pifaliana lehibe ireo olona maro anampy ho isantsika. Rehefa tsy mikely soroka mampiofana sy mananatra ireo mpikambana vaovao ao amin’ny kongregasiona isika, izany dia hanampy azy ireo hamboly ilay finoana matanjaka ilaina mba ‘hamonjena ny fanahiny’. — Heb. 3:12, 13; 10:39.