Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Febroary: Ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. (Mpisava lalana: 250 FMG; mpitory: 500 FMG). Martsa: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina ny bokikely vaovao Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Ataovy azo antoka fa efa nanafatra ireo zavatra ireo ny kongregasiona.
◼ Tokony handinika ny asan’ny mpisava lalana maharitra rehetra ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny fanompoana. Raha misy sahirana manatratra ny ora takina aminy, ireo loholona dia tokony handamina ny hanomezana fanampiana azy. Mba hahazoana fanipazan-kevitra, dia jereo indray ny taratasin’ny Fikambanana (S-201) tamin’ny 1 Oktobra 1993 sy 1 Oktobra 1992. Jereo koa ny fehintsoratra 12-20 ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Oktobra 1986.
◼ Ny mpitory maniry ny ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily ary May dia tokony hanao ny fandaharany dieny izao, ary hanome ny fangatahany aloha be. Izany dia hanampy an’ireo loholona, eo amin’ny fanaovany ireo fandaharana ilaina ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny fanafarany gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa ampy. Tokony holazaina amin’ny kongregasiona ny anaran’izay rehetra nekena ho mpisava lalana mpanampy.