FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/96 p. 1
  • Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Fakana Fotoana Hamakian-teny sy Hianarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Tandremo Tsara Hatrany ny Fomba Ampiasanao ny Fotoananao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mahay Mandamin-javatra ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fotoananao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 10/96 p. 1

Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina

1 Ny fananana zavatra be dia be hatao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia mihazona antsika ho sahirana! (1 Kor. 15:58, NW ). Manaiky isika fa ilaina ny mianatra manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, ny mamaky ny Baiboly isan’andro, ny manomana sy manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona ary ny mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Ireo mpiandraikitra dia manana andraikitra hiandry ny ondry, no sady miantsoroka adidy hafa ao amin’ny kongregasiona. Ny sasany manana andraikitra ara-pianakaviana mavesatra na adidy maro samihafa amin’olon-kafa. Mba hahavitana ny zavatra rehetra araka ny tokony ho izy, ny tsirairay dia mila fandanjalanjana sy fahaiza-mandamin-javatra tsara.

2 Mamera laharam-pahamehana: Ny fahombiazana eo amin’ny ‘fakana ho an’ny tenantsika ny fotoana azo hararaotina’ dia miankina amin’ny fananantsika fahaiza-manavaka sy fahaiza-mitsara zavatra tsara. (Efes. 5:15, 16, NW ). Tsy maintsy mamantatra isika hoe inona avy “ireo zavatra lehibe kokoa” ka mametraka azy ireo ho loha laharana eo amin’ny lisitry ny laharam-pahamehantsika. (Fil. 1:10, NW ). Hoy ny fomba nilazalazan’ny mpivady iray ny ankohonany teokratika: “Mameno ny fiainanay amin’ny fahamarinana izahay. (...) Ny fahamarinana akory tsy tapany amin’ny fiainanay, fa ny fiainanay mihitsy. Ny zavatra hafa rehetra dia mihodinkodina eo aminy.” Tena ilaina ny fametrahana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah sy ny fanompoana azy ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana.

3 Fantaro izay mandanilany foana ny fotoanantsika: Misy 168 ora ao anatin’ny herinandro, ary mila mampiasa amim-pahendrena ny fotoana ananantsika isika. Mba hananana fotoana ampy ho an’ny asa teokratika, dia mila mamantatra sy mampihena ho faran’izay kely izay mandanilany foana ny fotoanantsika isika. Ny fanadihadiana iray dia nampiharihary fa ny olon-dehibe tsotra any Etazonia dia mandany maherin’ny 30 ora isan-kerinandro ijerena tele! Ho an’ny hafa, dia fotoana be dia be no laniny amakiana boky sy gazetin’izao tontolo izao. Ny sasany mety hahita fa manokana fotoana tafahoatra amin’ny fifaneraserana amin’ny hafa, ny fanaovan-javatra tiany manokana, ny fialam-boly, na ny fanaovan-javatra mifandray amin’ny ordinatera, ny tenany. Mety hila ny hijery akaiky ny zavatra fanaontsika isan’andro isika mba hahitana hoe ahoana no mety hampiasantsika tsara kokoa ny fotoanantsika. Ny fahendrena dia mitaky ny hamerantsika ny fotoana omentsika ho an’ny zavatra tsy tena ilaina.

4 Mambole fandaminana tsara ireo zavatra fanao: Na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy ny tenantsika, ny tsirairay amintsika dia afaka maka ny fotoana azo hararaotina mba hikatsahana zavatra ara-panahy. Ny sasany nahita fa ny fifohazana aloha kely kokoa isan’andro dia manampy azy hanatontosa zavatra bebe kokoa. Raha mandany fotoana be dia be handehanana any am-piasana na hiandrasana olon-kafa isika, dia ho azontsika atao ny hampiasa ny ampahany amin’izany fotoana izany hamakiana Baiboly, hanomanana ireo fivoriana, na hihainoana cassettes nataon’ny Fikambanana. Ny fianakaviana dia mandray soa be dia be amin’ny fanokanana fotoana voafaritra tsara tsy tapaka hiaraha-mianatra. Raha samy tonga ara-potoana amin’ny fianaram-pianakaviana ny mpianakavy tsirairay, izany dia hanome fotoana fanampiny ho an’ny rehetra.

5 Isaky ny lasa ny andro tsirairay, dia tokony hihamanjary mahatakatra isika fa “efa fohy ny andro”. (1 Kor. 7:29). Ny fiainantsika dia miankina amin’ny fomba ampiasantsika ny fotoana sarobidy tavela. Hotahina isika raha maka ny fotoana azo hararaotina mba hahafahana hihazona ireo tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany! — Matio 6:33.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara