Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hatolotra amin’ny Jolay sy Aogositra: Ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy manaraka ireto: “Indro Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra, dia azo atolotra ny bokikely toy ny: Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, Nos problèmes — Qui nous aidera à les résoudre?, Ny Fanahin’ireo Maty — Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo? Septambra: Fanolorana manokana ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. (500 FMG, mpitory; 200 FMG, mpisava lalana). Mariho ao amin’ny taratasy hofenoina S-20, aza fady, ny isan’ny boky nalain’ny mpisava lalana sy ny mpitory. Oktobra: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!
◼ Manomboka amin’ny Septambra, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hanao ny lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “Iza no Tahaka An’i Jehovah Andriamanitsika”?
◼ Fanitsiana ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay:
p. 25, feh. 8, and. 4: Ny hoe “Genesisy 32:9” dia soloy hoe “Genesisy 32:10”.
p. 38, feh. 10, and. 1: Ny hoe “fanapoforoan-kevitra” dia soloy hoe “fanaporofoan-kevitra”.