Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 1 Janoary ka hatramin’ny 22 Aprily 1996. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Raha mbola mihevitra koa ny Kristiana iray fa manao izay mahitsy ny tenany, dia ho tsara ny fanapahan-keviny. (Ohab. 14:12). [uw p. 8 feh. 8(2)]
2. Ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia niandoha tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. [uw p. 15, feh. 8]
3. Na dia efa tapitra aza ny Lalàn’i Mosesy, ny Baiboly dia tsy manome filazana hoe ny Didy Folo dia tafiditra ho anisan’izay nifarana. [rs p. 365 feh. 1]
4. Amin’ny fampitahana ny Romana 8:16 amin’ny Romana 1:7, dia hita fa i Paoly dia niresaka momba ny taranak’olombelona rehetra ho toy ny hoe “zanak’Andriamanitra”. [uw p. 26 feh. 12(3)]
5. Ilay fanekena voatonona ao amin’ny Jeremia 31:31, 33 dia miresaka momba ny fanekena ny amin’ny Fanjakana izay ataon’i Jesosy amin’ireo mpanara-dia azy voahosotra. [si p. 129 feh. 38]
6. Ny bokin’ny Fitomaniana dia voaforon’ny tononkalo an-kira dimy, ka ny efatra aminy dia acrostiches. [si p. 130 feh. 6]
7. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy dia niseho tamin’ny endrika maro samihafa — nefa teo anatrehan’ny mpianany ihany. [rs p. 166 feh. 3]
8. Ny Kristiana marina dia miditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra amin’ny fanehoana finoana ny soron’i Kristy sy amin’ny fitsaharana amin’ny asa izay iezahany hanamarinan-tena. (Heb. 4:10). [rs p. 366 feh. 3]
9. Ny filazana ao anaty fononteny ao amin’ny Fanambarana 20:5 momba “ny sisa amin’ny maty” ho velona, dia miresaka momba ny fitsanganan’ny ondry hafa amin’ny maty eto an-tany. [rs p. 170 feh. 3–p. 171 feh. 3]
10. Rehefa namaly ilay fanontaniana hoe didy inona no lehibe indrindra amin’ny Lalàna i Jesosy, dia tsy nanonona na iza na iza tamin’ny Didy Folo izy. (Matio 22:35-40). [rs p. 364 feh. 3]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Koa satria ny fitiavana lehiben’i Jehovah nanosika azy haniraka ny Zanany mba hanome ny ainy ho antsika, tokony hanosika antsika hanao inona moa ny fitiavantsika an’Andriamanitra? (2 Kor. 5:14, 15). [uw p. 14 feh. 6]
12. Milaza inona ny hoe mandeha amin’ny anaran’i Jehovah? [uw p. 18 feh. 14]
13. Inona no ianarantsika momba ny toetran’i Jehovah amin’ny famakiana ny bokin’ny Fitomaniana? (Fitom. 3:22, 23, 32). [si p. 132 feh. 13, 15]
14. Teny inona no ampiasaina miverimberina mifandray amin’i Ezekiela sy i Jesosy Kristy? [si p. 133 feh. 2]
15. Nahoana no araka ny fandrindran-kevitra ny hinoana fa ireo izay hatsangana amin’ny maty ho amin’ny fiainana eto an-tany dia hotsaraina miorina amin’ny asa hataony amin’ny hoavy? (Rom. 6:7). [rs p. 170 feh. 2]
16. Lafin-javatra lehibe efatra inona avy no anisan’ny mahatonga firaisan-tsaina izay ananan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao? [uw p. 8-9 feh. 8, 9]
17. Nahoana isika no afaka milaza araka ny marina fa ireo fisehoan-javatra mifandray amin’ny fanatrehan’i Kristy dia hitranga ao anatin’ny taona maro? (Matio 24:37-39). [rs p. 276 feh. 2]
18. Fanampin’ireo toetran’i Jehovah miavaka, dia ny fitiavana, ny fanaovana ny rariny, ny fahendrena sy ny hery, inona moa no azontsika ianarana momba ny maha-izy azy manintona, avy ao amin’ny Eksodosy 34:6 sy Salamo 86:5 ary Asan’ny Apostoly 10:34, 35? [uw p. 13 feh. 3]
19. Aorian’ny fampitahana ny Jaona 14:9, 10 amin’ny Lioka 5:12, 13, nahoana isika no afaka manatsoaka hevitra fa i Jehovah dia mangoraka amim-pitiavana eo anoloan’ny taranak’olombelona mijaly? [uw p. 25 feh. 12(1)]
20. Nahoana ny Kristiana no tsy manana adidy hitandrina andro sabata iray isan-kerinandro? (Rom. 10:4). [rs p. 362 feh. 2, 3]
Omeo ny teny na fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. I Ebeda-Meleka dia nampiseho ny _________________________ , izay ho voatsimbina amin’ny _________________________ satria izy ireo niseho ho naman’ny _________________________ amin’ny rahalahin’i Kristy sy nanampy azy ireo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/83 p. 28 feh. 11.]
22. Na dia resahina ho toy ny “andriamanitra” aza i Jesosy, ao amin’ny Jaona 17:3 izy dia niantso an’i Jehovah hoe ilay “Andriamanitra _________________________ sady marina”, ary ao amin’ny Jaona 20:17 izy dia niresaka momba an’i Jehovah ho “Andriamanitr_________________________ sy Andriamanitra ________________________ ”. [uw p. 18 feh. 12] (Jereo fanitsiana ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Janoary 1996.)
23. Ny fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny Jeremia 52:5-11 dia nitranga tamin’ny _________________________ al.f.i. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/88 p. 14 feh. 18.]
24. Rehefa manambara ny Apokalypsy 1:7 fa aorian’ny fiverenan’i Kristy “ny maso rehetra hahita Azy”, izany dia tsy miresaka momba ny fahitana _________________________ , fa _________________________ ny saina kosa. [rs p. 278 feh. 3]
25. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia tsy _________________________ nitovy foana akory no nisehoan’i Jesosy, angamba mba hanamafisana tao an-tsain’ireo mpianany fa _________________________ izy manomboka hatreo, hany ka na dia ireo akaiky azy aza dia tsy _________________________ azy avy hatrany. [rs p. 167 feh. 1]
Fidio izay valiny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra satria (ireo mpandika teny no nanome azy izany anarana izany; ireo lehilahy be fandavan-tena ara-pivavahana no nanoratra azy; Andriamanitra no nitarika nivantana ny fanoratana azy). [uw p. 20 feh. 2]
27. Raha mamaky pejy (iray; roa; efatra) monja amin’ny Baiboly isan’andro ianao, dia ho voavakinao ao anatin’ny (enim-bolana; sivy volana; herintaona) izy io. [uw p. 24 feh. 9]
28. Tsy tapitra niaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nahafaoka ny Didy Folo, ny fameperana ara-pitondran-tena, satria ao anatin’ny fandaharana kristiana, dia (ny fitambaran’olona tsirairay no hametra ny fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tenany manokana; tokony hotarihin’ny feon’ny fieritreretany ihany ny olona; maro amin’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Didy Folo no naverina ao amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristiana). [rs p. 365 feh. 3]
29. I Jehovah dia ‘nametsy’ an’i Jeremia tamin’ny heviny hoe (namitaka azy tamin’ny fanaovana izay hitoriana hafatra fanamelohana Izy; nampiasa azy mba hanatanteraka asa izay tsy ho vitan’ilay mpaminany tamin’ny herin’ny tenany Izy; tsy nampihatra ilay fandringanana izay nambaran’i Jeremia tao amin’ny faminaniana Izy). (Jer. 20:7, NW ). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/8/89 p. 31.]
30. Ny fitenenana hoe “fasam-pahatsiarovana”, hita ao amin’ny Jaona 5:28 (NW ), dia miresaka momba ny (fasan’ny tsirairay; fasana iombonan’ny taranak’olombelona; fahatsiarovan’Andriamanitra ilay olona nody mandry). [rs p. 171 feh. 4]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto: Ohab. 3:5, 6; Jer. 23:33; 32:9, 10; Fitom. 3:44; Apok. 15:3, 4
31. Ny fototry ny tena firaisan-tsaina amin’ny fanompoam-pivavahana dia ny fahafantarana an’i Jehovah sy ny fampifanarahana ny fiainana amin’ireo lalany marina. [uw p. 5 feh. 1]
32. Ny fomba fiainantsika manontolo — na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona ataontsika — dia tokony hanome porofo fa mitodika any amin’Andriamanitra foana ny eritreritsika sy ny antony manosika antsika. [uw p. 10 feh. 11]
33. Tsy mihaino ny vavaka ataon’ny ratsy fanahy i Jehovah. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/10/87 p. 15.]
34. Ny hafatra ara-paminaniana mafonja avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia feno filazana loza, sady manambara ny fandringanana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana efa antomotra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/3/94 p. 12 feh. 18, 20.]
35. Rehefa manao fifampiraharahana ara-barotra amin’ireo mpiara-mivavaka amin’i Jehovah isika, ny fifanarahana an-tsoratra dia afaka misoroka tsy fifankahazoan-kevitra mety hipoitra any aoriana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/95 p. 30.]