Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 5 Septambra ka hatramin’ny 19 Desambra 1994. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. I Satana dia mitaona amim-pitaka ny olona hanome fahafaham-po amin’ny fomba ratsy ireo filana ara-dalàna. [uwMG p. 65, fehin. faha-9]
2. Ny teny hoe Sheola sy Hadesy ary Gehena dia samy manondro avokoa ny fasana iombonan’ny olombelona. [uwMG p. 72, fehin. faha-6]
3. Koa satria miitatra hatratỳ amin’ny andro faran’itỳ tontolo itỳ ny fahatanterahan’ny Salamo 110:1, 2, ireo andininy ireo dia manampy antsika hahazo ny hevitry ny faminanian’i Jesosy momba ny famaranana ny fandehan-javatra, fa tsy voafetra ho tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. izany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/2/94 p. 12, fehin. faha-17.]
4. Ny Synedriona dia ny Fitsarana Ambony romana nisy mpikambana 71, nivory tao Jerosalema. [gtMG toko faha-119]
5. Ireo “mpanapaka itỳ tontolo itỳ” resahina ao amin’ny Efesiana 6:12 (NW ) dia ireo filoha ara-politika tsy manana ny fankasitrahan’Andriamanitra. [uwMG p. 63, fehin. faha-4]
6. Ireo olona an-tapitrisany maro izay hatsangana amin’ny maty dia hotsaraina araka ireo asa nataony talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty. [uwMG p. 75, fehin. faha-12]
7. Ho fanampin’ny fanompoana ataony amin’ny maha-Mpanalalana azy amin’ny fanekena vaovao, dia nanao fanekena manokana ho amin’ny Fanjakana iray tamin’ireo apostoliny tsy nivadika i Jesosy. [ gtMG toko faha-115]
8. Ny fanaovana batisa fotsiny dia efa antoka ho amin’ny famonjena. [uwMG p. 100, fehin. faha-12]
9. Rehefa nivavaka toy izao i Jesosy: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity”, dia nangataka ny mba tsy ho faty izy. (Lioka 22:42). [gtMG toko faha-117]
10. Mifanaraka amin’ny Salamo 58:4, ny vipera dia tsy afaka mandre. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny it-1 p. 485.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Ny fahafantarana fa mamelona ny vorona sy mampitafy amin’ny fomba kanto ny voninkazo i Jehovah dia tokony hanafaka ny mpanompony olombelona amin’ny fanahiana inona avy? [uwMG p. 87, fehin. faha-3]
12. Araka ny lazalazaina ao amin’ny Salamo 58:3-5, amin’ny ahoana ny ratsy fanahy no sahala amin’ny bibilava? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/1/87 p. 30.]
13. Mifanaraka amin’ny Efesiana 5:3-5, amin’ny fototra inona no handavan’ny Kristiana mahay manavaka ny mozika iray misy feon-kira mahafinaritra, paika mampientana na ban-kira miverimberina? [uwMG p. 67, fehin. faha-12]
14. Inona no tian’ny Baiboly holazaina ao amin’ny Apokalypsy 20:14 (fanamarihana ambany pejy), izay milaza fa ny Hadesy dia “natsipy tany amin’ny farihy afo”? [uwMG p. 75, fehin. faha-12]
15. Amin’ny fototra inona no itsarana ireo olona ho ondry na ho osy ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-46? [gtMG toko faha-111, fehin. faha-43]
16. Raha nifarana tamin’ny filentehan’ny masoandro ny talata ny 11 Nisana 33 am.f.i., oviana no nanomboka ary nifarana ny 14 Nisana? [gtMG toko faha-112]
17. Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina? [uwMG p. 98, fehin. faha-9]
18. Amin’ny heviny ahoana avy ireo mpianatr’i Jesosy no hanao asa lehibe kokoa noho ny nataony, araka ny nambarany ao amin’ny Jaona 14:12? [gtMG toko faha-116, fehin. faha-6]
19. Inona ilay “fierena izay an’ny Avo Indrindra” resahina ao amin’ny Salamo 91:1, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hitoerana ao? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/12/93 p. 12; wMG 15/3/87 p. 29.]
20. Nahoana i Jesosy no afaka nilaza ao amin’ny Jaona 16:33 fa naharesy izao tontolo izao izy? [gtMG toko faha-116, fehin. faha-37]
Omeo ny teny na fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Araka ny naseho tamin’ny toe-javatra nisy an’i Joba, i Satana dia miampanga fa isika dia liana voalohany indrindra amin’ny fananana _________________________, izay mampiadana antsika manokana sy izay hahatsara ny fiainantsika, ary koa fa ny antony manosika antsika hanompo an’Andriamanitra dia _________________________. [uwMG p. 93, fehin. faha-13]
22. Rehefa notsaraina tsy ara-drariny i Jesosy, dia i _________________________ no governora tany Jodia, ary i _________________________ no mpanapaka tany Galilia. [gtMG toko faha-121, 122]
23. Mifanaraka amin’izay nohazavain’i _________________________ ao amin’ny Lioka 3:16, dia tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. no nihatra voalohany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy ny batisa tamin’ny _________________________; tamin’ny 70 am.f.i. no natao batisa tamin’ny _________________________ ireo Jiosy tsy nibebaka. [uwMG p. 96, fehin. faha-4]
24. Ny batisan’i Jesosy ho ao amin’ny _________________________ dia nanomboka tamin’ny 29 am.f.i., kanefa tsy nifarana raha tsy efa _________________________ tokoa izy ka _________________________. [uwMG p. 97, fehin. faha-6]
25. Ireo andaniny avy amin’ny fanekena vaovao dia i _________________________ sy _________________________. [gtMG toko faha-114]
Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Miorina amin’ny porofo azo raisina, ireo “andriamanitra” resahina ao amin’ny Salamo 82 dia (I Satana sy ireo demonia; ireo andriamanitra sampin’ireo firenena; ireo lehilahy izay mpitsara ny Isiraely). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/3/87 p. 28.]
27. Ny antony lehibe nahatongavan’i Jesosy teo amin’izao tontolo izao dia ny (hamonjy ny olombelona; hanao mpianatra; hanao fanambarana momba ny marina). [gtMG toko faha-122]
28. Raha mijaly ara-batana isika na mamoy zavatra ara-nofo, dia ho tian’ny Devoly ny hahita antsika (hanome voninahitra an’i Jehovah ary hanaporofo fa mpandainga ny Devoly; hanome tsiny an’Andriamanitra ary hivadika; hiaritra toy ny nataon’i Joba). [uwMG p. 60, fehin. faha-13]
29. Tamin’ilay fiampangana nisy lafiny telo nataon’ireo filoha ara-pivavahana jiosy tamin’i Jesosy, araka izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Lioka 23:2, ny fiampangana izay notazonin’i Pilato dia nifandray tamin’ny hoe i Jesosy dia (nampiodina ny firenena jiosy; nandrara ny fandoavan-ketra tamin’i Kaisara; nilaza ny tenany ho Kristy mpanjaka). [gtMG toko faha-121]
30. Ao amin’ny Salamo 63:3, dia nilaza tokoa i Davida fa ny fananana fifandraisana tsara dia tsara amin’i Jehovah no (zavatra tsara indrindra manaraka avy hatrany ny aina; tsara tahaka ny aina; mbola sarobidy kokoa noho ny aina mihitsy). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/7/85 p. 4]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voalahatra eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Sal. 86:1, 2; Matio 26:52; Jaona 13:1-17; Jaona 15:8; Heb. 13:5, 6
31. Na lafo toy inona aza ny vidim-piainana, ary na miely aza ny tsy fisian’asa, raha mbola mikely aina mifanaraka amin’ny finoantsika isika, dia hataon’i Jehovah azo antoka fa manana izay tena ilaintsika isika. [uwMG p. 89, fehin. faha-6]
32. Ny Kristiana marina dia tsy naman’izao tontolo izao; noho izany, izy ireo dia tsy mampiasa fitaovam-piadiana ara-nofo. [gtMG toko faha-118; jereo ny wMG 1/6/94 p. 12.]
33. Na dia mety hijaly noho ireo fanahiana sy ny fahakiviana entin’ireo zava-manahirana mianjady amintsika aza isika, dia afaka ny hatoky fa i Jehovah dia hampitodika ny sainy ho amin’itỳ tany itỳ ary hihaino ny vavaka ataontsika amim-panetren-tena. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/12/92 p. 9, fehin. 3, 4.]
34. Afaka ny tena mankalaza marina an’Andriamanitra isika amin’ny fanehoana toetra tsara tahaka ny an’i Kristy, indrindra fa ny fitiavana, ary amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba feno araka izay azo atao amin’ny asa fanaovana mpianatra. [gtMG toko faha-116, fehin. faha-19]
35. Amin’ny maha-Kristiana, isika dia tokony hanaiky an-tsitrapo hanompo ny hafa tsy misy fizahan-tavan’olona, na mety ho ambany na tsy hahafinaritra toy inona aza ilay asa. [gtMG toko faha-113]