Fomba Sasantsasany Hiadiana Amin’ny Faharerahana Ara-panahy
Famantarana ny Faharerahana
◻ Tsy fisian’ny fifehezan-tena eo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fikatsahana fahafinaretana
◻ Famoizana ny hafanam-po ho an’ny fahamarinana; toe-tsaina mampiseho fahafaham-po amin’ny tena
◻ Fanolokoloana fisalasalana lehibe sady maharitra
◻ Fanaovana tsirambina ny fifaneraserana any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona
◻ Tsy fisian’ny zotom-po sy fifaliana eo amin’ny asa fanompoana
◻ Fahatongavana ho be fanakianana loatra an’ireo loholona sy ny fandaminana
Fanampiana mba Hiaretana
◻ Vavaka mba hahazoana ny fanampian’ny fanahy masina — Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23; 1 Pet. 4:7
◻ Fianarana manokana — Sal. 1:1, 2
◻ Fisaintsainana zavatra araka ny Soratra Masina — Sal. 77:12
◻ Fanatrehana fivoriana sy fivoriambe tsy tapaka — Neh. 8:1-3, 8, 10; Heb. 10:23-25
◻ Fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana — Asa. 20:18-21
◻ Fanampiana ara-panahy avy amin’ireo loholon’ny kongregasiona, mpiandraikitra mpitety faritany — Rom. 1:11, 12; Heb. 13:17
[Loharanon-kevitra]
Efajoro ihany ao amin’ny wE 15/1/86, pejy 19