Aza Mitsahatra Manely Ireo Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
1 Tamin’ny volana Febroary 1994 isika dia nahita tampon’isa tamin’ireo mpitory 5 404 teto Madagasikara. Tarehimarika tsara dia tsara izany. Rehefa nodinihina anefa ny antsalan’ny gazety voapetraky ny mpitory (tsy ao anatin’izany ireo mpisava lalana), dia 1,6 nandritra iny volana iny. Tsapa fa kely io tarehimarika io. Izany dia mampiharihary fa lafiny iray eo amin’ny fanompoana mendrika ny hanaovantsika fiezahana ny fanelezana ireo gazetintsika.
2 Noho ny fahantomoran’ny fiafaran’ny fandehan-javatra ratsy, dia ilaina maika ny fanelezana ny vaovao tsara. (Matio 24:14, NW). Manana fitaovana tsara dia tsara isika mba hanaovana ny fampielezana, dia ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izany. Izao no nolazain’ny Informateur (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’izao fotoana izao) tamin’ny Oktobra 1952 (anglisy): “Ny fomba mandaitra indrindra hizarana ireo gazety dia ny fandehanana isan-trano sy isaky ny mpivarotra. Noho izany, dia ampirisihan’ny Fikambanana ny hanaovana ireo fomba fizarana gazety ireo ho tapany atao tsy tapaka amin’ny Andro Fizarana Gazety.”
3 Mipoitra ny fanontaniana hoe: Moa ve ny kongregasiona tsirairay manerana ny nosy mampihatra izany fanoloran-kevitra tsara dia tsara izany? Misy antony lehibe manosika hizara ireo gazety amin’ny fomba miitatra kokoa, izany dia ho fanambarana ny Fanjakan’i Jehovah ho ny hany fanantenan’ny taranak’olombelona, ary ny fielezan’ireo gazety bebe kokoa dia mandray anjara amin’izany.
4 Mba hahatongavana amin’izany tanjona izany, dia mety raha manao fandaharam-potoana tsy tapaka ny kongregasiona tsirairay avy, ho an’ny Andro Fizarana Gazety. Ho an’ny ankamaroan’ny kongregasiona, dia tsy isalasalana fa ho fotoana tsara ireo asabotsy voafaritra tsara. Aoka ny kongregasiona tsirairay hanokana andro na takariva ho amin’ny fizarana gazety — isan-trano sy isaky ny mpivarotra ary amin’ny lalana fizarana gazety. Enga anie i Jehovah Andriamanitra hanampy ny fiezahantsika tsirairay eo amin’ny fampielezana ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!