Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 3 Janoary ka hatramin’ny 18 Aprily 1994. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Tsy misy zava-dratsy mihitsy manjo ny olona manana ny fankasitrahan’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/9/92 p. 4.]
2. Araka ny Nehemia 10:35, dia nandidiana ny hanaovana fanatitra kitay hazo teo amin’ny Lalàna. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/5/86 p. 26.]
3. Ny teny fiarovan-tenan’i Joba ao amin’ny Joba 31:1 dia mifaranaka amin’izay nampianarin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:27, 28. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wF 15/3/79 p. 30.]
4. Maherin’ny 1 500 taona talohan’i Kristy dia efa nampiseho ny fanantenany ny fitsanganana amin’ny maty i Joba. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny Joba 14:13 sy ny wMG 15/4/93 p. 11.]
5. Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia nampiasa ny fitenenana hebreo hoe ʽam ha·ʼaʹrets, “olon’ny tany” mba hiresahana momba ny sarambabem-bahoaka, izay nentiny toy ny vovoka. [gtMG toko faha-85]
6. Ny fitantarana ao amin’ny Estera 1:10-12 dia afaka manampy ny olona mahay manavaka iray hahatakatra fa misy vidiny lehibe kokoa noho ny fananana hatsaran-tarehy ny fanekena sy ny fankatoavana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/10/79 p. 9.]
7. Ny fifikirana amin’Andriamanitra dia maneho firaiketana feno fitiavana amin’i Jehovah atosiky ny fankasitrahana azy sy ny lalany. [uwMG p. 19, fehin. 15]
8. Ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Lioka 16:19-31 momba ilay mpanankarena sy i Lazarosy dia tantaram-piainana tena nisy. [gtMG toko faha-88]
9. Rehefa niresaka momba ny “harena tsy marina” i Jesosy ao amin’ny Lioka 16:9 (NW), dia niresaka momba ny harena azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna izy. [gtMG toko faha-87]
10. Ao amin’ny Lioka 17:34, 35, ny hoe “horaisina” dia midika ho fandringanana. [gtMG toko faha-93]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona avy ireo fanontaniana roa lehibe dinihin’ny bokin’ny Joba? [siF p. 90, fehin. 1]
12. Amin’ny ahoana ny fanambarana ao amin’ny Joba 1:8 no manampy antsika hametra ny fotoana nisehoan’ny fitsapana nahazo an’i Joba? [siF p. 91, fehin. 4]
13. Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara tamin’ireo mpanara-dia azy izy fa tokony ‘hankahala’ ny havany izy ireo? (Lioka 14:26). [gtMG toko faha-84]
14. Rahoviana ary eo amin’iza no ho hita fa marina amin’ny heviny tena ara-bakiteny ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 11:26? [gtMG toko faha-90]
15. Nahoana ny nitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty no famelezana mafy indrindra ho an’ny Sadoseo? [gtMG toko faha-91]
16. Ahoana no tokony handraisantsika ny valin-teny nomen’i Jesosy ny Fariseo rehefa nilaza izy hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia eo afovoanareo”? (Lioka 17:21, NW). [gtMG toko faha-93]
17. Fihetsika inona nasehon’ireo Fariseo moa, araka izay hita ao amin’ny Lioka 18:11, 12, no tsy maintsy halavirin’ny Kristiana? [gtMG toko faha-94]
18. Koa satria i Jesosy lehilahy tanteraka izay tsy nanota mihitsy, nahoana izy no nanda ny hiantsoan’ilay filoha tanora nanankarena azy hoe “tsara”? (Marka 10:17, 18). [gtMG toko faha-96]
19. Inona avy ireo anton-javatra roa fototra izay mahatonga ny tena firaisan-tsaina kristiana? [uwMG p. 8, fehin. 8]
20. Raha milaza ny olona iray fa mino ny “Trinite” izy, nahoana no fahendrena ny hanasana azy hilaza ny heviny momba ilay foto-kevitra, alohan’ny hanaporofoana ny maha-diso ny Trinite? [uwMG p. 16, fehin. 10]
Omeo ny teny na fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Ny “tanàna efa rava [“toerana foana”, NW]” resahina ao amin’ny Joba 3:14 dia _________________________. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wF 1/11/79 p. 32.]
22. Sahala amin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Estera, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitady fanampiana avy amin’ny _________________________ mba hiarovana azy ireny amin’ny fahavalony. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/6/86 p. 25.]
23. Na dia nampiasa “mpitantsoratra” olombelona teo amin’ny _________________________ teo ho eo aza i _________________________ mba handraisana an-tsoratra ny Baiboly, dia izy no Mpanoratra azy. [uwMG p. 20, fehin. 2]
24. Ny toe-tsaina tsy tia fiankinana dia niandoha tamin’i _________________________. [uwMG p. 10, fehin. 10]
25. I Nehemia dia namarana ny bokiny tamin’ny fangatahana tsotra sy feno fanetren-tena toy izao: _________________________. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro]
Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ireo mpanara-dia an’i Jesosy no siran’ny tany amin’ny heviny hoe (tsy maintsy miaritra fanenjehana izy ireo; miteny amim-pahalemem-panahy izy ireo; manan-kery eo amin’ny olona amin’ny fiarovana azy ireny tsy ho simba izy ireo). [gtMG toko faha-84]
27. Ny andalan-teny ao amin’ny Jaona 1:1 dia miresaka ny amin’ny persona (iray; roa; telo). [uwMG p. 17, fehin. 11 3)]
28. Araka ny Salamo 9:10, ny fahalalana ny anaran’Andriamanitra dia midika ho (fahalalana ny anarana hoe Jehovah fotsiny; fananana fahalalana sasany momba ny fikasany; fanajana ny fahefany sy fankatoavana ny baikony). [uwMG p. 18, fehin. 14]
29. I Lazarosy sy i Marta ary i Maria dia nonina tao (Jerosalema; Betlehema; Betania). [gtMG toko faha-89]
30. Ao amin’ny Genesisy 1:1 sy 1:26, ny teny hebreo nadika hoe “Andriamanitra” dia (ʼAdho·naiʹ; ’Elo·himʹ; Shad·daiʹ). [uwMG p. 17 fehin. 11 4)]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voalahatra eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Neh. 13:23-27; Estera 1:17-20; Joba 14:14, 15; 26:7; Ohab. 3:5, 6
31. Tsy misy tohana hita maso mihazona ny tany eo amin’ny toerany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/6/92 p. 5.]
32. Tsy tokony hanambady afa-tsy mpino izay nanolo-tena ho an’i Jehovah ny mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina izay mitady vady. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/9/89 p. 14.]
33. Maniry amim-pahatsorana hanangana ny maty i Jehovah. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/8/90 p. 7.]
34. Ny fomba fiainantsika manontolo dia tokony hanome porofo fa mitodika any amin’Andriamanitra ny eritreritsika sy ny antony manosika antsika. [uwMG p. 10, fehin. 11]
35. Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny hafa ny tsy fanehoam-panajana araka ny mety ho an’ny fahefana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/10/79 p. 10.]