FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/94 p. 5
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 4/94 p. 5

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra natao hampiasaina mandritra ny Aprily sy May: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!, ary koa izay mety ho bokikely rehetra (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Ny saran’ny famandrihana herintaona amin’ny sambo dia 5 000 FMG (2 500 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Jona: Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray amin’ny sarany 1 000 FMG (750 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Jolay: Bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? na Ny Fanahin’ireo Maty amin’ny sarany 300 FMG (200 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza etsy ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.

◼ Zavatra Vita An-tsoratra ao Amin’ny Tahiry: Mbola misy annuaire 1993 sy Calendrier 1994 amin’ny teny frantsay sy amin’ny teny anglisy maro be ao amin’ny tahiry. Ireo izay tsy nanafatra ny azy dia tokony hanao izany haingana.

◼ Cassettes ao Amin’ny Tahiry: album fasiana cassettes ho an’ny kongregasiona sy ho an’ny tena manokana; Baiboly; Écoutez le grand Enseignant; Fampisehoana Tantara; Les Témoins de Jéhovah: un nom, une organisation (vidéocassettes amin’ny teny frantsay); Mélodies du Royaume (1-8); Recueil d’histoires bibliques.

◼ Mbola misy nomerao maro be amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ao amin’ny tahiry, eto amin’ny Betela. Koa satria efa tamin’ny 1992 sy 1993 ny ankamaroan’izy ireo, dia nahena ho 50 FMG ny vidin’ny gazety iray. Toy izany koa ny vidiny hametrahantsika azy amin’ny olona. Izy ireo dia ho azo ampiasaina amin’ny fanolorana gazety manokana mandritra ny Aprily sy May. Ireo kongregasiona maniry hahazo amin’ireo gazety ireo dia tokony hilaza hoe firy no ilainy amin’ny teny malagasy sy amin’ny teny frantsay. Misy nomerao vitsivitsy amin’ny teny anglisy koa ao. Aza manafatra nomerao voafaritra manokana, aza fady, fa lazao fotsiny ny isan’ny gazety tianareo ho azo. Alefaso miaraka amin’ny fanafaranareo, aza fady, ny vola vidin’ireo gazety.

◼ Fanitsiana: Ao amin’ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana: P. 179, fehin. 6: Vonoy ilay fehezanteny manontolo hoe: “Inona no porofo hitanao fa tena reraka tokoa ny fon’ny olona noho ny fahatahorany, araka ny nolazaina mialoha ao amin’ny Lioka 21:26? ” P. 180-181, fehin. 9, andal. 2: Ny hoe “tamin’ny ‘olom-boafidy’, dia ireo Kristiana voahosotry ny fanahy”, ovana hoe: “tamin’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy”. Andal. 3-4: Ny hoe “any amin’ireo firenena aza izy ireo, toy ny hoe any amin’ny ‘vazan-tany efatra’, teo ambanin’ny fitarihan’ireo anjely”, ovana hoe: “any amin’ireo firenena aza izy ireo, teo ambanin’ny fitarihan’ireo anjely”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara