Atolory Ireo Gazety Tsara Indrindra eo Amin’izao Tontolo Izao
1 Ny zava-kendren’ny Ny Tilikambo Fiambenana, voalaza dia ny “hanandratra an’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy eo amin’izao rehetra izao”. Ny Réveillez-vous! (na Mifohaza!) indray dia “natao ho fanazavana ny fianakaviana rehetra (...) Itỳ gazety itỳ dia mampitombo ny fatokiana ny fampanantenan’ny Mpamorona tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana sy filaminana”. Ireo teny ireo dia nalaina avy ao amin’ireo gazety ireo mihitsy. Ny fanatratrarana ireo tanjona ireo dia nahatonga ireo gazety ireo ho loharanom-pampaherezana ho an’ny an-tapitrisany maro amin’ireo mpamaky azy.
2 Hanasongadina ireo gazety ireo eny amin’ny fanompoana isika mandritra ny Aprily sy ny May. Mba hahazoana vokatra, dia ilaintsika ny mahafantatra tsara izay ao anatin’izy ireo. Vakio ny nomerao tsirairay, ka mariho ireo hevitra izay mety ho azonao ampiasaina rehefa manolotra azy ireo ianao. Eritrereto izay mampanahy ny olona. Zava-manahirana ara-tsosialy na ara-pianakaviana na ara-pihetseham-po inona avy no mitana ny sain’ny ankamaroan’ireo mpiara-belona aminao? Miezaha mieritreritra izay zavatra azonao lazaina ka hanohina ny fony sy hanaitra ny faniriany hahafantatra misimisy kokoa.
3 Fanasongadinana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily: Ny ankamaroan’ny olona dia maniry fatratra tontolo iray tsara kokoa, dia tontolo iray tsy hahitana ireo zava-manahirana maro be izay matetika tokoa ankehitriny no manaisotra amin’izy ireo ny fifaliany.
Rehefa avy mampahafantatra ny tenanao ianao, dia afaka milaza hoe:
◼ “Ho tiako ny hampiseho aminao fanazavana mahaliana iray nomena ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ, izay mitondra ny lohateny hoe ‘Tontolo Iray Tsara Kokoa — Nofy fotsiny Ve?’ Milaza toy izao izy io: ‘Itỳ tontolo itỳ, ny tontolontsika, dia azo antoka fa tsy toerana iray tonga lafatra. (...) Toa tsy mety tapitra ny lisitr’ireo loza misy ankehitriny.’ Izany toe-javatra izany dia manasarotra ny fijerena ny lafy tsaran-javatra momba ny hoavy, sa tsy izany? Mamelà ahy anefa hampiseho aminao izay lazain’ny Salamo 37:11 momba ny hoavy.” Rehefa avy mamaky ilay andininy, dia anontanio ilay tompon-trano ny amin’izay tsapany momba io fampanantenana io. Raha mamaly tsara izy, dia avadiho ny pejy ho ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tontolo Iray Tsara Kokoa — Efa Antomotra!”, ao amin’ny pejy faha-4, ary lazao hoe: “Andinin-tenin’ny Soratra Masina maromaro no voatonona ato, anisan’izany ilay vao novakintsika tao amin’ny Salamo 37:11 teo. Inoako fa ho faly ianao hamaky ireo lahatsoratra ireo sy hijery ao amin’ny Baibolinao ireo andininy voatondro. Hahafaly ahy ny hametraka azy ireto aminao.”
4 Fanasongadinana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily: Manontany toy izao ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy faha-4: “Aiza no Ahafahanao Mahita Fitarihana Mendri-pitokiana?”
Rehefa avy nampahafantatra ny tenanao ianao, dia afaka milaza hoe:
◼ “Misy zava-manahirana maro be aoka izany eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, toy ny [miresaha zavatra mampanahy ny mpiara-monina amin’izao fotoana izao, na matoam-baovao]. Izany dia mahatonga antsika hanontany tena raha misy afaka mahita fomba hahatafavoahana avy amin’izao fahasahiranana izao. Soa ihany fa ny 2 Timoty 3:16, 17 dia manome antoka antsika fa ny Baiboly dia mpitarika iray ho amin’ny fomba fiaina iray sambatra sy azo antoka.” Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo, dia asehoy ny fomba anampian’ny Ny Tilikambo Fiambenana antsika hahatakatra ny antony maha-mpitarika mendri-pitokiana ny Baiboly.
5 Raha mafana fo ny amin’ireo gazetintsika, izay ny tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao isika, dia haniry mafy hametraka azy ireny amin’ny hafa mba hahafahan’izy ireny koa hanaiky amim-pifaliana ny fanantenana momba ilay Fanjakana sy handray anjara amin’ny fanandratana an’i Jehovah amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy eo amin’izao rehetra izao. — Sal. 83:18.