Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 6 Septambra ka hatramin’ny 20 Desambra 1993. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ny bokin’i Ezra dia mahafaoka ny fitantarana ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Jiosy hatramin’ny fotoana nanambàrana ny lisitr’ireo boky hebreo. [siF p. 82, fehin. 7]
2. Tany am-boalohany, ny bokin’i Ezra sy Nehemia dia nahaforona boky iray ihany, nantsoina hoe Ezra. [siF p. 84, fehin. 3]
3. Rehefa manao lahateny iray, dia tsara indrindra ny tsy hitanana ny hafanam-ponao amin’ny ambaratonga ambony loatra mandritra ny famelabelarana iray manontolo. [sgMG p. 164, fehin. 6]
4. Hamarinin’ireo andinin-teny famaranana ny 2 Tantara fa ny 70 taona feno dia tsy maintsy nisaina nanomboka tamin’ny fahafoanan’i Joda tanteraka ka hatramin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio tamin’ny 537 al.f.i. [siF p. 80, fehin. 35]
5. Ny fanomezana valin-teny tsy tapaka mandritra ireo fivoriana, dia hanampy anao hanjary ho zatra hiteny eny ampahibemaso. [sgMG p. 184, fehin. 14]
6. Ilay “vehivavy Danita” dia nanambady lehilahy iray avy tamin’ny fokon’i Dana koa. (2 Tant. 2:13). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/11/79 p. 32.]
7. Milaza ny 2 Tantara 16:14 fa nodorana ny fatin’i Asa Mpanjaka. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/2/77 p. 127.]
8. Ao amin’ny Lioka 11:51, dia miharihary fa miresaka ny amin’ny fitoraham-bato an’i Zakaria, zanak’i Joiada, i Jesosy. (2 Tant. 24:20, 21). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/9/80 p. 31.]
9. Na iza na iza amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy afaka manatrika ny Fahatsiarovana, dia tokony hankalaza izany izy, iray volana atỳ aoriana. (2 Tant. 30:2). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/5/85 p. 31.]
10. Namponenina indray tao amin’ny tanindrazany ireo Jiosy natao sesitany, tamin’ny “volana fahafito” na teo amin’ny 1 Oktobra 537 al.f.i. teo ho eo. (Ezra 3:1). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny siF p. 269, fehin. 30.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Miankina amin’inona indrindra ny faharetan’ny lahateny ao anatin’ny fotoana natokana? [sgMG p. 180, fehin. 25]
12. Tempoly inona no mihoatra amin’ny voninahitra ireo tempoly teto an-tany rehetra? [siF p. 83, fehin. 16]
13. Inona no atao hoe fiovam-peo? [sgMG p. 160, fehin. 11]
14. Nahoana no tsy maintsy anaovana fampiharana mazava ny fanoharana iray? [sgMG p. 169, fehin. 10]
15. Raha mihoatra ny fotoana natokana ny mpandahateny iray, inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny famaranan-teniny? [sgMG p. 178, fehin. 16]
16. Nahoana no tsy hoe tsy mety ny maka amin’ny horonam-peo ireo vavaka atao ampahibemaso? (2 Tant. 33:18). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/7/78 p. 32.]
17. Anarana inona no omen’ny tantara tsy ara-pivavahana an’i Asnapara? (Ezra 4:10). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/5/88 p. 28.]
18. Nahoana no noroahina niaraka tamin’ny reniny ny zanak’ireo vehivavy hafa firenena? (Ezra 10:3, 44). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/4/86 p. 9.]
19. Taona fahafiry ny “taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy”? (Neh. 2:1). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/10/92 p. 11.]
20. Tamin’ny ahoana no ‘nohazavaina tsara ny hevitry’ ny Lalàna? (Neh. 8:8). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/5/86 p. 26.]
21. Inona no tokony ho marina momba izay fanoharana rehetra ampiasaina amin’ny famelabelarana iray? [sgMG p. 171, fehin. 20]
Omeo ny teny na fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
22. Taorian’ny fahababoana tany Babylona, dia nisy sisa nahatoky tamin’ny Jiosy nanangana alitara iray ary nanolotra fanatitra tamin’ny taona _________________________ . [siF p. 81, fehin. 3]
23. Raha manana fihetseham-po mafana ho an’ny mpihaino azy ny mpandahateny iray, dia tokony hiseho amin’ny _________________________ izany. [sgMG p. 166, fehin. 13]
24. Raha mampiasa teny teokratika isika amin’ny fanompoantsika, dia zava-dehibe ny _________________________ azy ireny. [sgMG p. 173, fehin. 5]
25. Ny zava-kendren’ny famaranan-teny indrindra dia ny _________________________ . [sgMG p. 175, fehin. 4]
26. Tsy tokony _________________________ amin’ny polipitra ny mpandahateny iray. [sgMG p. 186, fehin. 26]
27. Mifanaraka amin’ny 1 Timoty 3:1, ireo rahalahy dia afaka mampiseho fa vonona ny hiantsoroka andraikitra amin’ny _________________________ . [sgMG p. 190, fehin. 10]
Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
28. I Ezra dia namita ny bokin’ny Tantara (tany amin’ny 515 tany ho any; tany amin’ny 460 tany ho any; tany amin’ny 537 tany ho any) al.f.i. [siF p. 75, fehin. 1]
29. Nanompo nandritra ny fanapahan’ny mpanjaka persiana (Kyrosy; Ksersesy; Artaksersesy) i Nehemia. [siF p. 84, fehin. 1]
30. Ny “andro firavoravoana” dia miresaka ny amin’ny andro firavoravoana momba ny (fitoerana ao amin’ny trano rantsan-kazo; herinandro; mofo tsy misy masirasira). (2 Tant. 7:8). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny pmF p. 53.]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voalahatra eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
2 Tant. 9:9; 2 Tant. 19:7; 2 Tant. 28:16, 20, 21; 2 Tant. 36:20, 21; Neh. 5:7
31. Mety hahitana loza ny fifandraisana tsy ilaina amin’izao tontolo izao. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/12/85 p. 30.]
32. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manome ny modely raha ny amin’ny fiheverana mety momba ny fandraisana kolikoly. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/1/87 p. 30.]
33. Izany dia fandikana mivantana ny lalàn’i Jehovah ao amin’ny Levitikosy 25:36 sy Deoteronomia 23:20. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/5/86 p. 25.]
34. Izany dia miresaka ny amin’ny fanomezana iray izay 330 tapitrisa farantsa frantsay eo ho eo ny vidiny. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny gF 22/11/87 p. 4.]
35. Iray amin’ireo antony nitondrana ny Isiraely ho babo 70 taona tany Babylona dia ny fandikany ireo lalàn’Andriamanitra momba ny Sabata. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny gE 22/9/79 p. 9.]