Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hasongadintsika amin’ny Jolay: Na iza na iza amin’ireto bokikely manaraka ireto dia azo ampiasaina: “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? na Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, amin’ny sarany 300 FMG (200 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Aogositra sy Septambra: Fanolorana manokana: Ny boky Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Antenaina fa hahay hanararaotra io fihenan’ny sarany io isika rehetra mba hananana ny bokintsika manokana avy, ary koa mba hametrahana betsaka araka izay azo atao aminy amin’ny olona rehetra hitantsika. Oktobra: Famandrihana amin’ny gazety Réveillez-vous! sy Ny Tilikambo Fiambenana, na fanolorana ireo gazety mandeha mitokana. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona hila ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voatonona ireo, dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka. Hafaro, aza fady, ireo gazety fanampiny hilainareo amin’ny Oktobra.
◼ Nanomboka tamin’ny 8 Aprily 1993, dia nanampy ho anisan’ireo gazety Mifohaza! mivoaka isam-bolana alefa amin’ny paositra ny fiteny gujarati.