Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 4 Janoary sy ny 19 Aprily 1993. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Rehefa mitarika fampianarana ny Baiboly, dia angamba ho tsara kokoa indraindray ny tsy hamaliana ny fanontaniana rehetra nataon’ilay olona, fa hitahiry ny sasany mba hodinihina amin’ny hoavy. [sgMG p. 94, fehin. 14]
2. Ny iray amin’ireo zava-kendren’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika lehibe indrindra dia ny hanampy antsika hahazo vokatra tsara kokoa eny amin’ny asa fanompoana. [sgMG p. 96, fehin. 1]
3. Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ireo hevitra izay hanomezana torohevitra dia ho ireo nampahafantarina mialoha foana an’ilay mpianatra mba hiezahany. [sgMG p. 101, fehin. 7]
4. Hatramin’izao dia tsy nisy mihitsy porofo nentin’ny arkeolojia manamarina ny 1 Mpanjaka. [siF p. 62, fehin. 4]
5. Tsy ampy ny hilazan’ilay mpanome torohevitra amin’ilay mpandahateny fotsiny fa nanao tsara izy na mila ny hiezahany indray ny toetra iray manokana amin’ny lahateny. [sgMG p. 103, fehin. 15]
6. Ny fahalemena hita matetika amin’ireo fampisehoana isan-trano dia ny hoe lava loatra ny fampidiran-dresaka, ka manontany tena ilay tompon-trano hoe rahoviana no hiresaka ny amin’ny votoatin-kevitra ilay Vavolombelona. [sgMG p. 116, fehin. 14]
7. Raha manana fitaovana fanamafisam-peo ny kongregasiona, dia tsy ilaina ny hanoroana hevitra an’ireo mpianatra mandahateny, momba ny hamafin’ny feo. [sgMG p. 117, fehin. 6]
8. Rehefa manao lahatenin’ny mpianatra, dia zava-dehibe aoka izany ireo fiatoana ka toroana hevitra mihitsy aza ny mpandahateny mba hanondro eo amin’ny lahateniny vita sora-tanana, na ny planiny, ny toerana tiany hanaovana fiatoana indrindra. [sgMG p. 120-121, fehin. 20, 23]
9. Tsy tanteraka mihitsy na tamin’ny lafiny inona na tamin’ny lafiny inona ny faminanian’ilay vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra tao Andora. (1 Sam. 28:19). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/79 p. 6.]
10. Ny zava-nitranga tamin’i Davida sy i Batseba dia tokony hanamafy amin’ny ray aman-dreny fa misy vokany lehibe eo amin’ireo zanany ny fitondrantenan’izy ireo. (2 Sam. 12:13, 14). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/86 p. 31.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Tamin’inona no nanao tsirambina i Ely sy i Saoly? [siF p. 55, fehin. 27]
12. Rehefa manoratra taratasy, ahoana no azonao anehoana fa miahy ilay olona anoratanao ianao? [sgMG p. 89, fehin. 13]
13. Ahoana no azontsika itarihana ny sain’ireo mpihaino amin’ny fomba mandaitra ho amin’ny Baiboly rehefa manao lahateny? [sgMG p. 122, fehin. 3]
14. Inona no tiana holazaina amin’ny 2 Samoela 18:8, manao hoe: “Ka ny matin’ny [“lanin’ny”, NW ] ala androtrizay dia be noho ny matin’ny sabatra”? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/87 p. 31.]
15. Iza no nahatonga an’i Davida hanisa ny Isiraelita? (2 Sam. 24:1). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/92 p. 5.]
16. Nahoana i Solomona ao amin’ny 1 Mpanjaka 8:12 no manambara toy izao: “Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ny aizim-pito Izy”? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/1/80 p. 31.]
17. Ahoana no anaporofoana fa misy olona tahaka ny mpanjakavavin’i Sheba amin’izao androntsika izao? (1 Mpanj. 10:4, 7). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo suMG p. 149, fehin. 8.]
18. Porofo arkeolojika inona no manohana ny fitantarana ao amin’ny 1 Mpanjaka 14:25, 26? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ceF p. 212, fehin. 31.]
19. Inona no tian’ny 1 Mpanjaka 15:14 holazaina rehefa miteny izy fa ‘tsy mba noravan’i Asa ny fitoerana avo’? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/81 p. 28 fanamarihana ambany pejy.]
Omeo ny teny na fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
20. Rehefa manoratra taratasy mba hanaovana fanambarana, dia ataovy hita foana eo ivelan’ny valopy __________________________. [sgMG p. 87-88, fehin. 8, 9]
21. Mba hisorohana ny tombantombana atao manokana rehefa manomana lahateny iray, dia tokony hampiasa sy hitoky amin’ny ___________________________ ny tena. [sgMG p. 111, fehin. 13]
22. Mba hahatonga ny lahateny iray hahatratra ny zava-kendreny, dia tsy tokony hampidirana hevitra fanampiny izany ka tsy __________________________. [sgMG p. 112, fehin. 19]
23. Rehefa milaza ny 1 Samoela 25:37 fa ‘nanjary matihena ny fon’i Nabala’, dia midika mazava izany fa ____________________________ izy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 15/12/80 p. 30.]
24. Ny fanekena lazalazaina ao amin’ny 2 Samoela 7:12, 13 dia ny __________________________. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/89 p. 14.]
Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana ireto:
25. Miharihary fa i Jeremia no nanatontosa ny famitana ny fanoratana ny 1 Mpanjaka tamin’ny (1040; 607; 580) al.f.i. [siF p. 62]
26. Ny bokin’ny Samoela faharoa dia nahafaoka ny vanim-potoana teo anelanelan’ny (1180 tany ho any-1078; 1077-1040 tany ho any; 1040-911) al.f.i. [siF p. 57, fehin. 3].
27. Tsy maintsy mitandrina mba tsy hampiasa ao amin’ny fampidiran-dresaka atao afa-tsy hevitra (izay mahaliana ny mpanatrika; izay mahatonga anao hanana hafanam-po; izay manampy hahatratra ny zava-kendrenao rehefa mandahateny). [sgMG p. 114, fehin. 8]
28. Amin’izao andro izao, ny Refaïta [Refaima] maoderina dia (ireo mpitondra tsy refesi-mandidy; ny klerjy; ny Firenena Mikambana). (2 Sam. 21:20). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/89 p. 20, fehin. 8.]
29. Araka ny 1 Mpanjaka 6:1, dia nanomboka nanorina ny tempoly i Solomona tamin’ny (1037; 1034; 1020) al.f.i. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo siF p. 272, fehin. 8.]
30. Ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:21-40, ny zavatra tena niadian-kevitra dia ny hoe andriamanitra iza no (nanana mpivavaka nafana fo taminy be indrindra; nanana ny fanohanan’ireo manam-pahefana ambony; tokony hotompoina). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/1/85 p. 8-9.]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana milahatra eto ambany ireto andinin-teny manaraka ao amin’ny Soratra Masina ireto:
2 Sam. 1:26; 6:6, 7; 13:14, 15; 1 Mpanj. 1:1; Heb. 10:23-25
31. Manana andraikitra manokana ny tsirairay avy hanome valin-teny amin’ireo fivoriana. [sgMG p. 92, fehin. 7]
32. Tsy manova ireo fepetra takin’Andriamanitra ny fikasana tsara. [siF p. 61, fehin. 30]
33. Misy fatoram-pitiavana tsara dia tsara mampiray eo amin’ny “ondry hafa” sy ny sisa. (Jaona 10:16). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/89 p. 25-26.]
34. Ny filazan’ny tovolahy iray amin’ny tovovavy iray ny fitiavany miredareda sy ny fanantitranterany mba hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy aminy fotsiny, dia tsy voatery hidika fa tia azy amim-pahatsorana izy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo yyMG p. 140, fehin. 22.]
35. Sarotra ho an’ny olona be taona amin’ny ankapobeny ny mahatsiaro hafanana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa gF 8/9/82 p. 21.]