FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/92 p. 5
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 4/92 p. 5

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy May: Gazety roa ampiarahina amin’ny bokikely iray, na inona izany na inona, afa-tsy ny bokikely Ny sekoly sy Ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny sarany 540 FMG. Jona: Ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao!” amin’ny sarany 300 FMG. Jolay: Na iza na iza amin’ireto bokikely ireto: Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!, “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, Tokony hino ny Trinite ve ianao?, Ny anaran’Andriamanitra izay haharitra mandrakizay, Le gouvernement qui établira le Paradis. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanafatra ireo zavatra hapetraka eo amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanao izany amin’ny “Taratasy fanafarana zavatra vita an-tsoratra” (S-AB-14) halefany manaraka.

◼ Tokony hataon’ny mpiandraikitra prezidà azo antoka fa mandeha tsara avokoa ny fandaharana rehetra ho amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Anisan’izany ny fanendrena ireo mpikarakara ny mpanatrika sy ireo mpanolotra ireo marika ary koa ny fahazoana ny mofo tsy misy masirasira, ny divay mena, ireo vera, sy ny sisa. — Jereo ny lisitry ny zavatra ilaina ao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, volana Martsa.

◼ Ireo mpikarakara ny mpanatrika amin’ny Fahatsiarovana dia tokony ho mailaka mba hiarahaba ireo vaovao sy ireo tonga manatrika tsindraindray. Miezaha hahazo ny anarana sy ny adiresin’ireo izay mety hila olona mba hitarika fampianarana miaraka aminy any an-tokantranony. Tokony homena ny mpiandraikitra ny asa izany filazalazana azo izany.

◼ Noho ny zava-nanahirana nisy teo amin’ny fifamoivoizana, dia izao vao tonga ireo “cartes postales” tokony ho efa naseho tamin’ny fivoriamben’ny distrika farany teo. Misy karazany 4 izy ireo ary 200 FMG ny vidin’ny iray. Ny kongregasiona rehetra dia afaka manao fanafarana ireo zavatra ireo, izay voafetra ny isany azo tahirizina. Haloa eo am-panafarana azy ny vidin’izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara