Fampandrenesana
* Zavatra atolotra amin’ny desambra 1990: Ny boky Hiaina mandrakizay na ny Bokiko amin’ny sarany 2.400 FMG.
* Zavatra atolotra amin’ny janoary sy febroary 1991: Fiadanana sy Filaminana amin’ny sarany 300 FMG; boky fanao am-paosy amin’ny fiteny frantsay amin’ny sarany 300 FMG: Ecoutez le Grand Enseignant; Tout finit-il avec cette vie; Une bonne nouvelle ...; Commentaire sur la lettre de Jacques; La vie a bien un but; Que ton Royaume vienne. Izay misy ao amin’ny tahirin’ny kongregasiona no hatolotrareo.
* Rehefa tapitra ny fianarana ny boky hoe: Tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina” dia ny boky hoe “Ny fomba hahavelomanao ao amin’ny tany vaovao iray” no hianarana ao amin’ny kongregasiona rehetra eran’ny Nosy.
* Tokony ho voamarin’ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray hotendreny ny kaontin’ny kongregasiona ny 1 desambra na aorian’io daty io haingana araka izay azo atao.
* Toy izao ny teny fototra amin’ny taona 1991: “Aoka izay rehetra mahare hilaza hoe: ‘Avia’”—Apokalypsy 22:17, MN. Tokony ho hita ao amin’ny kongregasiona izany manomboka ny 1 janoary 1991.
* Tahiry ao amin’ny Sampana: Index 1950 – 1985; L’humanité à la recherche de Dieu; Comment le sang peut-il vous sauver la vie?; Hiaina mandrakizay (petit format).