Famerenana an-tsoratra ny fianarana ny fanompoana teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara noraisina tamin’ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 3 septambra sy ny 24 desambra 1990. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana izay valinteny maro indrindra azo atao ao anatin’ny fotoana voafetra.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana. Ireo fakàn-teny manaraka ireo fanontaniana dia natao ho an’ny fikarohana ataonao manokana. Mety tsy hiseho eo amin’ireo fakàn-teny rehetra avy amin’ireo Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy fehintsoratra.]
Valio hoe “Marina” na “Diso” ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Mifanohitra amin’izay nosoratan’i Paoly mikasika ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana fa tsy ny asa ny taratasin’i Jakoba mampirisika ny finoana amin’ny alalan’ny asa. [si. p. 234 feh. 6]
2. Azo antoka fa natao ho an’ny fitambaran’ny kristiana rehetra ny taratasy voalohany nosoratan’i Jaona, fa tsy ho an’ny kongregasiona iray manokana. [si p. 242 feh. 5]
3. Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota. [si p. 242 feh. 10]
4. Ilay “Itompokovavy voafidy” resahina ao amin’ny taratasy faharoan’i Jaona dia mety hanondro tsara kongregasiona kristiana iray. (2 Jaona 1:1) [si p. 243 feh. 1]
5. Manome antsika fahitana ambangovangony mahaliana ny fifandraisana teo amin’ireo kongregasiona sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany ny taratasin’i Jaona fahatelo. [si p. 245 feh. 3]
6. Nasongadin’i Joda ny maha-rahalahin’i Jesosy Kristy hafa ray azy. [si p. 246 feh. 2]
7. Ireo faminaniana momba ny famonjena ny Isiraely dia tanteraka, tsy teo amin’ny Isiraely ara-nofo akory, fa teo amin’ny kongregasiona kristiana. (Romana, toko faha-9-11) [Famakiana ny Baiboly; zahao wMG 15/8/90 p. 25.]
8. “Manisy lalana hahafahana” i Jehovah amin’ny fanesorana ilay fakam-panahy. (1 Kor. 10:13) [Famakiana Baiboly; zahao w74 p. 64 (anglisy).]
9. Ny “marika famantarana” izay navelan’ny holatra sasany dia mety ho noho ny fampijaliana ara-batana natao tamin’i Paoly. (Gal. 6:17, MN) [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/12/90.]
10. Ny ‘fanangonana ny zavatra rehetra etỳ an-tany’ dia hitohy mandra-pandren’ireo izay ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ny feon’i Jesosy ka hivoahany avy ao. Efes. 1:10) [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/12/90
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Torohevitra inona no omen’i Jakoba mikasika ny fahotana? [si p. 235 feh. 14]
12. Toe-tsaina inona no asehon’ny taratasy voalohany nosoratan’i Petera fa tokony hananan’ny kristiana? [si p. 238 feh. 9]
13. Milazà iray amin’ireo ohatra mahery nampiasain’i Petera mba hampisehoana ny maha-azo antoka ny fitsaran’Andriamanitra an’ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka. [si p. 240 feh. 5]
14. Ahoana no hamantarana ny antikristy? [si p. 242 feh. 7]
15. Manondro inona voalohany indrindra ny “fanambarana ampahibemaso” voalaza ao amin’ny Romana 10:9, 10, MN? [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/4/88 p. 22 sy 15/9/88 p. 29.]
16. Amin’ny fomba roa inona avy no hahafahan’ireo loholona manantitrantitra ny halehiben’ny torohevitr’Andriamanitra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”? (1 Kor. 7:39) [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/9/82 p. 31.]
17. Inona ireo “zana-tsipika mirehitra” izay mihaika ny finoantsika? (Efes. 6:16) [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/12/90.]
18. Inona moa “ny marika” notratrarin’i Paoly (Fil. 3:3, 14) [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/12/90.]
Fenoy ny banga amin’ireto fehezanteny manaraka ireto:
19. Nanoro hevitra i Jakoba fa, toy izay hirehareha ny amin’ireo volavolan-kevitsika, dia tokony hiteny toy izao isika: “------dia hanao izao na izao isika.” [si p. 235 feh. 12]
20. Toy izay hanjary tsy hahandry ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia tokony hihevitra ny faharetany fa hitondra ho amin’ny -----ny maro hafa isika. [si p. 24 feh. 7]
21. Inoan’ny ankamaroan’ny olona fa vita tamin’ny -------ireo taratasin’i Jaona telo ary nosoratana teny amin’ny manodidina an’i ---------. [si p. 241 feh. 2]
22. Tamin’ny fampisehoana fa tsy tokony hiteny ratsy ny manana voninahitra ny olona tsy manana an’Andriamanitra, i Joda dia nanisy fitenenana ny amin’ny ohatra tsara navelan’i ----------. [si p. 247 feh. 6]
23. Araka ny Romana 13:1, dia eo ireo mpanapaka ivelan’ny fivavahana noho --------Andriamanitra azy ho eo fotsiny. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/8/90 p. 25.]
24. Rehefa nihatakataka tamin’ireo Jentilisa mpino tany Antioka i -------- noho ny fahatahorany ny kristiana Jiosy avy tany Jerosalema dia niteny mafy azy i -----------. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/12/90.]
25. Nanome toky an’ireo Filipiana ny amin’i -------- izay narary mafy teo aloha i Paoly. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/12/90.]
Tsipiho ny valiny marina amin’ireto fanambarana ireto:
26. Nosoratana ny taratasin’i Petera voalohany fony izy tany (Roma; Jerosalema; Babylona). [si p. 237 feh. 5]
27. Mety ho nosoratana tany akaikin’ny taona (56; 64; 70) amin’ny fan. ir. ny taratasy faharoan’i Petera. [si p. 239 feh.3]
28. Mety ho voatariky ny (filôzôfia grika; fihetseham-po; Soratra hebreo) ny sasany tao amin’ny kongregasiona tany Korinto izay nilaza fa tsy misy fitsanganana amin’ny maty. (1 Kor. 15:32) [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/11/90 p. 23.]
29. Ao amin’ny 2 Korintiana 3:18, i Paoly dia manisy firesahana ny amin’ny fanandraman-javatra hitan’i (Mosesy; Josoa; Elia). [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/11/90 p. 24.]
30. Nanonona ny ohatra tsara navelan’ny (Korintiana; Makedoniana; Efesiana) i Paoly noho ny fanomezana ara-nofo nataon’izy ireo tamim-pahalalahan-tanana mihoatra noho ny fahafahany. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/11/90 p. 25.
Ampifanaraho amin’ireto fanambarana eto ambany ireto ny toko sy andininy manaraka:
Rom. 7:4; 1 Kor. 4:9; 14:40; 2 Kor. 6:7; 1 Pet. 3:21
31. Manome famonjena amin’ny alalan’ny batisa sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty Andriamanitra. [si p. 237 feh. 8]
32. Na dia nisy namely avy teo amin’ny lafiny rehetra aza i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy, dia ampy fitaovana mba hanao ady ara-panahy. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/11/90 p. 25.]
33. Nanisy firesahana ny amin’ny fahafatesana tao amin’ny kianja i Paoly. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/11/90 p. 22.]
34. Amin’ny fanaovana izay hahavoalamina tsara ireo fivoriantsika dia manome voninahitra an’Andriamanitra isika. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 1/11/90 p. 23.]
35. Ny fahafatesan’i Jesosy dia nanafaka ireo Jiosy nino tamin’ny fifehezan’ny lalàna. [Famakiana Baiboly; zahao wMG 15/8/90 p. 25.]