Fanampiana Ireo Mpitory Tapatapaka
1 Hoy i Jesosy: “Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.” (Matio 7:24) Hanao asa tsara, toy ny asa fitoriana, ny olona iray raha mahazo ny hevitr’izany tenin’i Jesosy izany ary tsara ny antony manosika azy. Noho izany, ny fankatoavany dia ho toy ny fanorenana eo ambony vatolampy, izay mahatohitra ny tafio-drivotra maherin’ny fahoriana.
2 Manana antony tsara hifanampiana isika, mba hahafahantsika handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny asa fitoriana. Mpitory tapatapaka ny sasany amintsika, ary mampanahy tokoa izany. Inona no nety ho nahatonga ny olona iray tsy handray anjara tamin’ilay asa lehibe, dia ny asa fitoriana sy fampianarana, nandritra ny volana iray manontolo?
3 Narary mafy angamba ny sasany. Nisy kosa nety ho niandry faramparan’ny volana vao hoe hanao fanompoana, kanjo nisy zavatra tsy nampoizina ka tsy afaka nanao izany indray izy. Ny hafa angamba tsy nihevitra ny fanompoana ho toy ny harena tokony homena ny toerana voalohany. (2 Kor. 4:7) Mahakivy koa indraindray ny fanoheran’ny vady na ny havana tsy mpino. Nanjary tapatapaka teo amin’ny fianarana samirery sy ny fanatrehana fivoriana ny hafa. Tsy tsapany intsony àry fa efa antomotra ny faran’ny tontolon’i Satana ary mahadodona io asa io. (2 Pet. 3:11, 12) Tsy miteny avy amin’ny haben’ny ao am-pony intsony izy ireo satria nihena ny fankasitrahany. (Matio 12:34) Te hanampy azy ireo isika, na inona na inona antony nahatonga izany.
4 Izay azon’ireo anti-panahy atao: Tokony hiezaka hamantatra izay mahazo ny rehetra eo anivon’ny fiangonana sy ny zavatra ilain’izy ireo ny anti-panahy. Ho afaka hanome fanampiana amim-pitiavana izy ireo amin’izay. Tokony hanamarika ireo nanjary mpitory tapatapaka ny anti-panahy mandritra ny fivoriany. Tokony hifidy izay olona ho afaka hanampy ireny mpitory ireny sy ny fomba mety hanaovana izany, izy ireo. Azon’izy ireo resahina amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana, mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, io zava-manahirana io. Tokony homarihin’ny mpitan-tsoratra izay mpitory atahorana ho tapatapaka, rehefa mameno ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory izy.
5 Izay azon’ny mpiandraikitra ny fianarana boky atao: Tokony homen’ny mpitan-tsoratra an’ireo mpiandraikitra ny fianarana boky ny lisitr’ireo mpitory tsy namerina tatitra, isam-bolana. Ho azo atao amin’izay ny hanampy azy ireo haingana. Tokony hiresaka amin-katsaram-panahy amin’ireo mpitory tapatapaka ny mpiandraikitra ny fianarana boky, mba hahafantarany ny zava-manahirana azy ireo sy ny fomba hanampiana azy. (Ohab. 27:23) Ho faly ny ankamaroan’ireo mpitory tapatapaka rehefa mahazo fanampiana. Tokony hanao fandaharana hentitra hiarahana amin’io mpitory io ilay mpiandraikitra rehefa fantany izay mahazo azy. Mety ho mpitory matotra hafa, na mpisava lalana anefa no hasainy hanao izany. Azo ampiana hanao fandaharam-potoana azo ampiharina, mifanentana amin’ny tarehin-javatra misy azy koa ireny mpitory tapatapaka ireny. Afaka mandamina fotoana ve izy ireo mba hiarahana hanompo tsy tapaka amin’ny mpisava lalana na mpitory mahay iray?
6 Rehefa mitsidika ny fianarana boky ny mpiandraikitra ny fanompoana, dia afaka manao fandaharana hitsidihana ny mpitory tapatapaka izy sy ny mpiandraikitra ny fianarana boky. Rahalahy matotra roa amin’izay no ho afaka hifanampy amin’ny fanomezana torohevitra. Hanampy ireny mpitory ireny hanao fanorenana eo ambony vatolampy izy ireo, ka hankatò ny baikon’i Kristy hitory sy hampianatra. Aoka àry isika hiezaka hanao ireo zavatra ireo, ka hampiseho fa tia ny “mpianakavin’ny finoana” isika.—Gal. 6:10.