Loha Hevitra ato Anatiny
4-10 FEBROARY 2019
3 “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
Tsy andrintsika ny Paradisa. Resahina ao amin’io lahatsoratra io hoe inona no porofo omen’ny Baiboly fa tena hisy izany, ary inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izy niresaka momba ny Paradisa.
11-17 FEBROARY 2019
10 Hajao “Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga”
Inona no atao hoe fanambadiana mendri-kaja? Inona no azontsika atao raha te hanaja ny fanambadiana isika? Ary inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoe misara-panambadiana sy ny hoe misintaka? Hanazava an’izany io lahatsoratra io.
15 Tantaram-piainana: ‘Tsara Fanahy Taminay i Jehovah’
18-24 FEBROARY 2019
19 Ry Tanora, Tian’ny Mpamorona ho Sambatra Ianareo
25 FEBROARY 2019–3 MARTSA 2019
24 Ry Tanora, Te ho Afa-po Amin’ny Fiainana ve Ianareo?
Mila mandray fanapahan-kevitra lehibe ny tanora, ohatra hoe inona no hataony eo amin’ny fiainana. Ampirisihina hanao fianarana ambony na hitady asa be karama izy ireo matetika. I Jehovah kosa mampirisika azy ireo hanao loha laharana ny fanompoana azy. Horesahina ao amin’ireo lahatsoratra ireo hoe hendry izay manao an’izany.
29 “Hifaly Amin’i Jehovah ny Olo-marina”
32 Fanondroana ny foto-kevitra Tamin’ny tilikambo fiambenana sy mifohaza! 2018