FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/7 p. 5-6
  • 2. Aza Tonga dia Lavina Izay Voalaza Ao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2. Aza Tonga dia Lavina Izay Voalaza Ao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Voaly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • ‘Mazotoa’ Mampitombo ny Fahalalanao Marina Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Vakio ny Tenin’Andriamanitra ary Manompoa Azy Amin’ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ahoana no tokony hamakinao ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/7 p. 5-6

Tianao ho Azo ve Izay Lazain’ny Baiboly?

2. Aza Tonga dia Lavina Izay Voalaza Ao

Efa nisy namanao ve nanaratsy olona mbola tsy hitanao mihitsy? Inona no nitranga rehefa nihaona ianao sy ilay olona? Azo inoana fa tonga dia nihevitra ianao hoe ratsy toetra izy. Lasa tsy hitanao ny fahaizany sy ny toetra tsarany. Inona no ifandraisan’izany amin’ny Baiboly?

MISY olona mbola tsy nandinika ny Baiboly akory, nefa tonga dia mandà an’izay voalaza ao. Hoy ny apostoly Paoly momba ny Jiosy nanao toy izany: “Mijoro ho vavolombelona aho fa mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.”—Romanina 10:2.

Niharihary, ohatra, fa i Jesosy avy any Nazareta no Mesia, rehefa jerena ny Soratra Hebreo. Tanteraka taminy daholo mantsy ny faminaniana rehetra momba ny Mesia, voasoratra ao. Tsy neken’ireo Jiosy ireo anefa hoe i Jesosy no Mesia. Tsy mba nandinika mantsy izy ireo, fa niziriziry tamin’ny heviny, hany ka tsy takany ny Tenin’Andriamanitra.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Diniho aloha izay lazain’ny Baiboly, fa aza tonga dia lavina. Raha tsy izany mantsy, dia tsy hazava aminao ny fahamarinana voalaza ao.

Nanakiana ny Baiboly, ohatra, ny manam-pahaizana iray momba ny fivavahana, any Caroline Avaratra, Etazonia. Hoy izy: “Avy amin’olombelona ny Baiboly, ary hevitr’olombelona no ao. Mifanohitra ny ankamaroany, ary tsy misy mahasoa na iray aza.” Inona anefa no ho vokany raha tonga dia mihevitra ny olona iray hoe “avy amin’olombelona” ny Baiboly? Azo inoana fa tsy horaharahainy izay torohevitra tsy azoazony ao.

Aza tonga dia lavina àry ny Baiboly fa halalino aloha. Mampirisika antsika hanao izany rahateo izy io. Izao no voalaza ao, momba ny Berianina tamin’ny andron’i Paoly: “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:11) Tahafo àry ny Berianina. Aza tonga dia lavina izay lazain’ny Baiboly. Mazotoa kosa mandinika azy io mba hazava aminao ny hafatra mampahery tian’Andriamanitra hampitaina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara