FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/11 p. 14-15
  • “Inona no Ataon-dry Zareo ao E?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Inona no Ataon-dry Zareo ao E?”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Sarin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Biraon’ny Sampana Vitsivitsy
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/11 p. 14-15

“Inona no Ataon-dry Zareo ao E?”

MARO no miteny an’izany, rehefa mandalo eo amin’ilay toerana lehibe misy ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao Mogale City (Krugersdorp), atsy Afrika Atsimo. Nanapa-kevitra àry ny Vavolombelona fa hisy olona hasaina manokana hitsidika ilay toerana, ny 12 sy 13 Oktobra 2007. Antony roa no nahatonga izany. Tiany hoporofoina fa diso ny tsaho miely momba azy. Tiany haseho koa izay ataon’ilay sampana, ho fanatanterahana ny asa nanirahan’i Jesosy Kristy.—Matio 28:19, 20.

Nasiana soratra lehibe teo amin’ny vavahady, mba hiarahabana ny mpitsidika. Nizarana fanasana ny mpiara-monina. Nasaina koa ireo mpandraharaha miara-miasa amin’ilay sampana sy ny fianakavian’izy ireo. Inona no vokany? Olona tsy Vavolombelona 500 mahery no tonga.

Ilay milina fanontam-pirinty, atao hoe MAN Roland Lithoman, no tena nahavariana ny olona. Mahavita pirinty gazety 90 000 isan’ora mantsy izy io. Nahavariana azy ireo koa ilay toerana fanakambanana boky sy ilay trano lehibe mikarakara ny fandefasana izany. Boky sy gazety 14 taonina mahery isan’andro no alefa. Nanao fampirantiana hafakely koa ireo Vavolombelona. Nisy, ohatra, natao hanazavana tsotsotra ny tantaran’ny milina fanontam-pirinty, nanomboka tamin’ny andron’i Gutenberg, ilay namorona azy io, ka hatramin’izao. Nasehon’izy ireo koa fa miezaka miaro ny tontolo iainana ilay sampana. Hita ao, ohatra, ny fitaovana manala ny gazy mahafaty sy fofona maimbo ary vovo-taratasy avy ao amin’ilay milina fanontam-pirinty.

Nilaza ny gazety iray tany an-toerana, fa “nanokan-tena ho an’i Jehovah” ireo mpiasa an-tsitrapo 700 ao amin’ilay sampana, ary “voatendry ho mpitory ny filazantsara.” Nilaza koa izy io hoe “madio be” ilay toerana fanontam-pirinty, ary “vita ara-potoana ny zava-drehetra” ao. Tonga nitsidika koa ny lehilahy iray tsy tia Vavolombelon’i Jehovah. Nanoratra toy izao izy tatỳ aoriana: “Tsara be ny zavatra hitako tao aminareo. Tsy fahita ny toy ireny.”

Maro ny mpitsidika nitovy hevitra tamin’io lehilahy io. Gaga izy ireo nahita fa feno boky sy gazety amin’ny fiteny 151 tao amin’ilay sampana. Gaga koa izy ireo nahalala fa boky sy gazety ho an’ny tany 18, any amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Afrika, no atao pirinty ao. Azo tsidihina daholo ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Anontanio àry ny sampana ao amin’ny tany misy anao hoe isaky ny inona ianao no afaka mitsidika any.

[Sary, pejy 14]

Ilay taratasy fanasana

[Sary, pejy 14]

Mpitsidika

[Sary, pejy 15]

Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Mogale City, atsy Afrika Atsimo

[Sary, pejy 15]

Milina fanontam-pirinty MAN Roland Lithoman

[Sary, pejy 15]

Toerana fanakambanana boky

[Sary, pejy 15]

Ilay trano mikarakara ny fandefasana boky sy gazety

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara