FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w07 1/12 p. 3
  • Mbola Hihavana ve ny Olona Rehetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Hihavana ve ny Olona Rehetra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Mankafy Firaisan-tsaina Sarobidy ny Fianakavian’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Hazony ny Firaisan-tsaina Amin’izao Andro Farany Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Tsy Mitovy Fiaviana Nefa Mihavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mampiavaka ny Fivavahana Marina ny Firaisan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
w07 1/12 p. 3

Mbola Hihavana ve ny Olona Rehetra?

HANAO ahoana ny hoavintsika? Hisy fiadanana ve sa ho feno loza sy ady? Toa tsy fantatra izay hitranga.

Manome toky ny mpitondra sasany hoe tena mety hisy ny fiadanana eran-tany. Angamba koa izy ireo tsy te hilaza ny mifanohitra amin’izany, satria mahakivy. Maro anefa no matahotra rehefa mieritreritra hoe: Iza avy no firenena manana fitaovam-piadiana mahery vaika? Ho sahy hampiasa izany ve izy ireo? Ahoana raha mitranga izany?

Asehon’ny tantara fa ny fifandrafiana sy fanavakavahana no mahatonga ny olona tsy hihavana. Ny fivavahana koa matetika no tena mampirisika, nefa izy ireo no tokony hampihavana. Hoy i James Haught, mpanao gazety: ‘Mety hifankahala ny olona rehefa tsy mitovy hevitra, ary ny fivavahana no anisan’ny tena tsy mampitovy hevitra ny olona. Maro no mino fa manova olona ho “tsara” toetra ny fivavahana. Miharihary anefa fa mahatonga ny sasany hanao habibiana izy io.’ Hoy koa i Steven Weinberg, mpanoratra: “Ny fivavahana ihany no mahavita mampirisika ny olona tsara hanao ratsy.”

Azo antenaina ve hoe mbola hihavana ny olona rehetra indray andro any? Eny! Ho hitantsika anefa fa tsy vitan’ny olombelona na ny fivavahana naoriny izany.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Toy ny grenady efa hipoaka ve ny tany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara