FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w07 15/8 p. 32
  • Asa Soratra Miavaka ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asa Soratra Miavaka ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
w07 15/8 p. 32

Asa Soratra Miavaka ny Baiboly

TONONKALO nalaza tany Gresy fahiny ny Iliade sy Odyssée. Tamin’ny taonjato fahasivy na fahavalo T.K. angamba no nanoratana azy ireo. Manao ahoana ireo asa soratra ireo raha ampitahaina amin’ny Baiboly, izay nosoratana taonjato maro talohany? Hoy ny boky Ny Baiboly Jiosy sy ny Baiboly Kristianina (anglisy): “In-429, fara fahakeliny, ny Baiboly no naka teny avy amin’ny boky hafa. Tsara homarihina anefa fa tsy nanao izany afa-tsy indray mandeha ny Iliade, ary ny Odyssée aza tsy nanao mihitsy.”

Nohazavain’ny rakipahalalana momba ny arkeolojia any Proche-Orient, fa “toa anisan’ny fivavahana teo amin’ny Israely fahiny mihitsy ny fanoratana.” Natao an-tsoratra, ohatra, ny fifaneken’ny Lalàna, ary tatỳ aoriana dia novakina tsy tapaka teo anatrehan’ny rehetra, na lehilahy na vehivavy na ankizy. Nisy koa namaky sy nianatra azy io samirery, na niaraka tamin’olona maromaro. Nandinika lafin-javatra sasany momba ny Lalàna i Alan Millard, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Liverpool. Hoy izy avy eo: ‘Azo inoana fa nahay namaky teny sy nanoratra ny ankamaroan’ny Israelita.’—Deoteronomia 31:9-13; Josoa 1:8; Nehemia 8:13-15; Salamo 1:2.

Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny soratra masina? Nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” Sarobidy aminao ve ny Baiboly, ka vakinao tsy tapaka?—Romanina 15:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara