FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w07 15/1 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Ohatra Tsara i Solomona sa Ohatra Ratsy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mpanjaka Hendry i Solomona
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Izay “Tokony Hataon’ny Olona Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-21 — Mpitoriteny
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
w07 15/1 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza ny mpitoriteny fa ‘lehilahy iray no hitany ho marina tao amin’ny arivo; fa tao amin’ny vehivavy arivo [kosa] tsy nisy na dia iray aza.’ Inona no tiany holazaina amin’izany?—Mpitoriteny 7:28.

Tsy maintsy mamantatra ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny vehivavy isika, mba hahazoana tsara an’ireo teny ireo. Milaza ny Baiboly fa “vehivavy tsara” i Rota vinanton’i Naomy, vehivavy mpitondratena. (Rota 3:11) Lazain’ny Ohabolana 31:10 koa fa “mihoatra lavitra noho ny voahangy” ny vehivavy tsara. Inona àry no tian’i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny, holazaina amin’ny hoe: ‘Lehilahy iray no hitany ho marina tao amin’ny arivo; fa tao amin’ny vehivavy arivo [kosa] tsy nisy na dia iray aza’?

Asehon’ny teny manodidina fa ratsy fitondran-tena ny vehivavy, tamin’ny andron’i Solomona. (Mpitoriteny 7:26) Ny zavatra nataon’ireo vehivavy hafa firenena nivavaka tamin’i Bala angamba, no tena nahatonga izany. Na i Solomona Mpanjaka aza voatarik’ireo vadiny maro be, izay hafa firenena. Hoy ny Baiboly: “Nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telon-jato izy, ka nampivily ny fony” hanompo andriamani-diso “ireo vadiny ireo.” (1 Mpanjaka 11:1-4) Ratsy fitondran-tena koa anefa ny lehilahy tamin’izany, matoa lehilahy marina iray no hita tamin’ny arivo. Tena zara raha nisy izany. Namarana ny teniny i Solomona hoe: “Izao ihany no hitako: nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.” (Mpitoriteny 7:29) Ny olombelona amin’ny ankapobeny no tiany holazaina eo, fa tsy nampitaha ny lehilahy tamin’ny vehivavy izy. Ny fitondran-tenan’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Solomona àry no tiana horesahina ao amin’ny Mpitoriteny 7:28.

Mety hisy heviny ara-paminaniana koa anefa io andinin-teny io. Tsy nisy mihitsy mantsy vehivavy nankatò tanteraka an’i Jehovah, nefa nisy lehilahy iray nahavita izany, dia i Jesosy Kristy.—Romanina 5:15-17.

[Sary, pejy 31]

‘Lehilahy iray no marina amin’ny arivo’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara