FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w06 1/12 p. 32
  • Mety Hino Anatra ve ny Mpitsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety Hino Anatra ve ny Mpitsara?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
w06 1/12 p. 32

Mety Hino Anatra ve ny Mpitsara?

VAVOLOMBELON’I JEHOVAH any Kroasia i Sladjana. Nisy raharaha ara-bola tsy maintsy nandehanany tany amin’ny fitsarana. Tonga ara-potoana tao amin’ny mpitsara izy, saingy mbola nisy olona iray nandrasana. Tena te hiresaka momba ny Baiboly i Sladjana, ka nisikina herim-po hitoriana tamin’ilay mpitsara, raha mbola teo am-piandrasana an’ilay olona ny rehetra.

Hoy izy: “Fantatrao ve, tompoko, fa kely sisa dia tsy hisy mpitsara sy fitsarana intsony eto an-tany?” Ireo mpitsara ankehitriny no tiany horesahina tamin’izany.

Taitra ilay mpitsara, ka nijery azy fotsiny fa tsy niteny. Nanomboka ny fitsarana avy eo. Nitsangana mba hanao sonia taratasy iray i Sladjana rehefa nifarana ilay izy. Nibitsibitsika taminy ilay mpitsara hoe: “Tena marina ve ilay zavatra nolazainao teo? Ilay hoe kely sisa dia tsy hisy mpitsara sy fitsarana intsony eto an-tany.” 

Namaly i Sladjana hoe: “Eny, tompoko. Tena marina mihitsy izany!”

“Afaka manome porofo ve ianao?”, hoy ilay mpitsara.

“Eny, tompoko. Hita ao amin’ny Baiboly izany”, hoy i Sladjana.

Nilaza ilay mpitsara fa naniry hamaky izany porofo izany izy, nefa tsy nanana Baiboly. Nanontanian’i Sladjana àry izy raha te hahazo iray. Nitsidika an’ilay mpitsara ny Vavolombelona ary nanome azy Baiboly, sady nampirisika azy hianatra Baiboly isan-kerinandro. Nanaiky izy, ary vetivety dia lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy ny faminaniana ao amin’ny Salamo 2:10: “Amin’izany dia hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsaran’ny tany.” Mahafinaritra tokoa rehefa manetry tena ny olona toy ireny, ka manaiky ny toromarika feno fitiavana avy amin’i Jehovah!

[Sary, pejy 32]

Sladjana sy ilay mpitsara

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara