FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/11 p. 32
  • ‘Mihalehibe ny Fitiavanareo Rehetra’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Mihalehibe ny Fitiavanareo Rehetra’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/11 p. 32

‘Mihalehibe ny Fitiavanareo Rehetra’

MAROMARO ny loza araka ny natiora, toy ny rivo-doza sy ny tondra-drano ary ny horohoron-tany, namely an’i Japon tamin’ny 2004. Anisan’ireo olona maro voa mafy tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. (Mpitoriteny 9:11) Afaka nifaneho fitiavan-drahalahy anefa izy ireo, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny.—1 Petera 1:22.

Tondraka, ohatra, ny renirano iray any afovoan’i Japon, tamin’ny volana Jolay, noho ny oram-be nivatravatra. Tranona Vavolombelon’i Jehovah 20 mahery no simba tamin’izany, ary efa ho iray metatra ny haavon’ny rano tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Nanampy avy hatrany ireo Vavolombelona avy tamin’ny fiangonana manodidina. An-jatony ny mpiasa an-tsitrapo nanadio ireo trano nihosim-potaka. Voadio sy voamboatra tanteraka ilay Efitrano Fanjakana, tao anatin’ny tapa-bolana monja.

Namely an’io faritra io indray ny horohoron-tany nahatratra 6,8 amin’ny maridrefy Richter, tamin’ny 23 Oktobra. Olona 40, fara fahakeliny, no namoy ny ainy, ary 100 000 mahery no voatery nesorina tao amin’ny tranony. Tapaka ny jiro sy rano ary gazy. Tsy simba kosa ilay Efitrano Fanjakana vao nohavaozina, na dia tany amin’ny 50 kilaometatra monja avy teo aza ny foiben’ilay horohoron-tany. Lasa foibe vonjimaika ho an’ny fanampiana ny tra-boina avy hatrany ilay efitrano. Nojeren’ireo mpiandraikitra kristianina haingana sao nisy niharam-boina ny mpiray finoana taminy. Nandry ny sain’izy ireo rehefa fantany fa tsy nisy naratra na maty izy ireny. Vavolombelona enina ny ampitso vao maraina no nanolo-tena avy hatrany, hizara sakafo sy rano tany amin’ilay toerana niharan-doza. Anisan’ny tra-boina tamin’ilay tondran-drano tamin’ny Jolay izy ireo. Tonga ny fanampiana vonjy rano vaky, ora vitsivitsy monja taorian’ilay horohoron-tany.

Hoy ny anti-panahy iray: “Nandray anjara tamin’ny famonjena an’ireo tratran’ny horohoron-tany ny tra-boina tamin’ilay tondra-drano, satria efa mba nampiana toy izany koa ry zareo, ka te haneho ny fankasitrahany. Niasa mafy izy ireo vao maraina ka hatramin’ny alina be, ary hita fa tena faly!”

Na ny tondra-drano, na ny horohoron-tany dia samy tsy misy atahorana hanimba ny fatoram-pitiavana mampiray ny Kristianina Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’izy ireo kosa aza fa marina ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’ireo mpiray finoana taminy tany Tesalonika, manao hoe: “Mihalehibe ny fifankatiavanareo rehetra.”—2 Tesalonianina 1:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara