FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/10 p. 32
  • Ireo ‘Midina An-tsambo any An-dranomasina’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo ‘Midina An-tsambo any An-dranomasina’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/10 p. 32

Ireo ‘Midina An-tsambo any An-dranomasina’

MISY sarivongana halimo mampiseho tantsambo iray mikely aina mamily ny sambony ao anaty tafiotran’oram-baratra, eo anoloan’ny seranan-tsambon’i Gloucester, any Etazonia. Ho fahatsiarovana an’ireo mpanjonon’i Gloucester an’arivony, maty tany an-dranomasina izy io. Misoratra eo am-pototr’ilay sarivongana sy eo amin’ny takelaka eo akaikiny, ny Salamo 107:23, 24 hoe: ‘Izay midina an-tsambo any an-dranomasina, ka manao raharaha any amin’ny rano lehibe, no mahita ny asan’i Jehovah sy ny fahagagana ataony amin’ny rano lalina.’

Mampidi-doza ny manjono amin’ny toerana be trondro, any amin’ny Ranomasina Atlantika. Tamin’ireo taona lasa, dia izany no anisan’ny nahafaty lehilahy efa ho 5 368 avy ao Gloucester, izay misy mponina 30 000 eo ho eo izao. Izao no soratra eo amin’ilay takela-pahatsiarovana: “Nisy safotry ny rivo-mahery tampoka sy ny onja goavambe, vokatry ny tafio-drivotra mafy avy any avaratra atsinanana. Ny hafa indray maty irery tao anatin’ny lakana keliny, izay very rehefa nisaraka tamin’ny sambo nitondra azy ho any amin’ilay toeram-panjonoana. Nifandona tao anatin’ny rivo-doza koa ny sambo sasany, ka nilentika. Ny hafa nodonin’ny sambo lehibe teny an-dalana.”

Mampihetsi-po tokoa ilay takela-pahatsiarovana, izay mariky ny asa mafy sy ny loza natrehin’ireo mpanjono nandritra ny taonjato maro. Alao sary an-tsaina ny ranomasom-pahorian’ireo namoy vady, ray, rahalahy ary zanaka. Tsy manadino ny mpitondratena sy ny kamboty ary ireo maty tany an-dranomasina anefa i Jehovah Andriamanitra. Nampiharihary izany ny apostoly Jaona, rehefa nilaza izay hitranga amin’ny hoavy. Hoy izy: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny fasana namoaka ny maty tao aminy.” (Apokalypsy 20:13) Hahita ‘ny asa [mahatalanjon’i] Jehovah’ tokoa ireo ‘nidina an-tsambo any an-dranomasina’, rehefa hatsangana amin’ny maty.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara