FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/6 p. 32
  • Miresaka Amin’ny Vady Aman-janakao ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miresaka Amin’ny Vady Aman-janakao ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/6 p. 32

Miresaka Amin’ny Vady Aman-janakao ve Ianao?

“MIHENA be ny fahaizantsika mifampiresaka amin’ny mpianakavintsika”, hoy ny tatitra nataon’ny Polityka, gazety poloney mpiseho isan-kerinandro. Enina minitra monja isan’andro no mba mifampiresaka tsara ny mpivady any Etazonia, araka ny tombantombana. Mihevitra ny manam-pahaizana sasany, fa izany no mahatonga ny antsasaky ny fisintahana sy ny fisaraham-panambadiana.

Ahoana ny amin’ny fifampiresahan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka? Milaza ilay tatitra fa matetika “ilay izy no tsy fifampiresahana fa toy ny manao famotorana. Ohatra hoe: Nanao ahoana ny tany am-pianarana? Ary ny namanao?” Hoy ihany ilay tatitra: “Ahoana àry no hahaizan’ny zanatsika hifandray am-po amin’olona, raha izany?”

Tsy mandeha ho azy ny fahaizana mifampiresaka tsara. Ahoana àry no hanatsarantsika azy io? Nanome torohevitra sarobidy ho antsika i Jakoba, mpianatra kristianina. Hoy izy: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Raha te hanao resaka mampahery àry isika, dia mila mihaino tsara, tsy maika ny hanapaka tenin’olona, ary tsy halaky hitsara olona. Aza manakiana, satria mora manapaka ny fifampiresahana izany. Ankoatra izany, dia tsy toy ny nanao famotorana i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny olona. Nametraka fanontaniana voalanjalanja kosa izy, mba hahalalany izay tao am-pon’izy ireo, sy hampiraiki-po kokoa azy ireo aminy.—Ohabolana 20:5; Matio 16:13-17; 17:24-27.

Hahay hiresaka amin’ny vady aman-janakao ianao, raha mampihatra ny toro lalana tena tsara ao amin’ny Baiboly. Hifankatia sy hifandray tsara mandritra ny taona maro ianareo amin’izay, ary mandritra ny androm-piainanareo manontolo mihitsy aza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara