FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/5 p. 3
  • Hahafoana ny Fahantrana ve ny Olombelona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hahafoana ny Fahantrana ve ny Olombelona?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny fitomboan’ny fahantrana​—loza mananontanona ny rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/5 p. 3

Hahafoana ny Fahantrana ve ny Olombelona?

OLONA an-tapitrisany no tsy mba nandia izany fahantrana izany. Mbola tsy nandry fotsy mihitsy izy ireo, na jihitry ny hatsiaka rehefa matory amin’ny alina. Maro aminy anefa no onena ny mahantra, ka mikely aina manampy azy ireo.

Mbola mahantra fadiranovana foana anefa ny olona miaina any amin’ny tany misy ady an-trano, tondra-drano, hain-tany, ary olana hafa. Mitera-pahavoazana lehibe ho an’ny tantsaha afrikanina ny toe-javatra toy ireny. Voatery mandao ny tranony sy mifindra any an-tanàn-dehibe ny sasany, na lasa mpitsoa-ponenana any an-tany hafa. Mifindra any an-tanàn-dehibe koa ny mponina sasany any ambanivohitra, satria manantena fa ho tsara kokoa ny fiainany any.

Matetika no vao mainka mitombo ny fahantrana, rehefa be loatra ny mponina amin’ny tanàn-dehibe. Zara mantsy raha misy toerana azo volena any, na tsy misy mihitsy. Sarotra koa ny mitady asa. Mamoy fo àry ny maro, ka lasa manao heloka bevava. Mitalaho fanampiana ny mponina, nefa tsy voavahan’ny fitondram-panjakan’olombelona ilay olana. Vao mainka aza mihamahantra ny olona. Niresaka momba ny tatitry ny Firenena Mikambana tamin’ny Novambra 2003, ny gazety Mahaleo Tena (anglisy) any Londres. Izao no voalaza ao: “Mihabetsaka ny olona mosarena eran-tany. ... Tombanana ho 842 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo, ary miampy olona mosarena 5 tapitrisa isan-taona io isa io.”

Maharay taratasy avy amin’olona mahantra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika Atsimo indraindray. Izao, ohatra, no nosoratan’ny lehilahy iray avy any Bloemfontein: “Tsy an’asa aho, ary mangalatra izay azoko angalarina. Tsy manan-kohanina izahay mianakavy, raha tsy izany. Manginy fotsiny ny hatsiaka mamirifiry. Tsy misy ny asa, ka maro no mandehandeha eran’ny tanàna mitady asa sy sakafo. Misy aza mitsindroka fako. Ao koa ny mamono tena. Maro no kivy sy tsy manana fanantenana toa ahy. Toy ny hoe tsy misy tsirim-panantenana manangasanga mihitsy. Tsy mba hitan’Andriamanitra ve izao, nefa izy ihany no namorona antsika hila sakafo sy fitafiana?”

Mamaly ny fanontaniana mampanahy an’io lehilahy io ny Baiboly, ary tena mampahery izany, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara