FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/5 p. 32
  • Ahoana no Ampiasana Tsara ny Andro Tsirairay?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ampiasana Tsara ny Andro Tsirairay?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/5 p. 32

Ahoana no Ampiasana Tsara ny Andro Tsirairay?

“MAMPIANARA anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” (Salamo 90:12) Izany no vavaka feno fanetren-tena nataon’i Mosesy, mpanoratra Baiboly. Inona marina no tena tiany hangatahina? Tokony hivavaka toy izany koa ve isika?

Hita eo amin’ny andininy faha-10, fa nalahelo noho ny hafohin’ny androm-piainan’ny olombelona i Mosesy. Izy koa no nanoratra ny tenin’i Joba hoe: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Takatr’i Mosesy tsara àry fa fohy ny androm-piainan’ny olona tsy lavorary. Koa sarobidy taminy ny andro tsirairay. Rehefa nangataka ny hampianarina hanisa ny androny i Mosesy, dia nasehony fa te hampiasa tsara ny andro sisa hiainany izy, mba hahazoany sitraka amin’ny Mpamorona. Tsy tokony hitady fomba hampiasana tsara ny androntsika koa ve isika? Hiezaka mafy hanao izany isika, raha te hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny.

Nanantena valisoa koa ireo lehilahy natahotra an’Andriamanitra ireo, dia fiainana tsara kokoa eto ambonin’ny tany amin’ny hoavy. Tokony handrisika antsika hampiasa tsara ny androntsika koa izany. (Joba 14:14, 15; Hebreo 11:26) Tsy hofaranan’ny fahafatesana ny asa tsaran’ny olona amin’izay. Tian’ny Mpamorona hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany lasa paradisa mantsy izay mahatoky. (Isaia 65:21-24; Apokalypsy 21:3, 4) Afaka manantena an’izany koa ianao, raha ‘manisa ny andronao, hahazoanao fo hendry.’ 

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara