FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/5 p. 30
  • Herim-po Niatrehana Fanoherana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Herim-po Niatrehana Fanoherana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/5 p. 30

Herim-po Niatrehana Fanoherana

NOTEREN’NY vahoaka romotra hiditra tao amin’ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra tao Efesosy, i Gaio sy Aristarko naman’ny apostoly Paoly. Niantsoantso nandritra ny adiny roa ilay vahoaka hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” (Asan’ny Apostoly 19:28, 29, 34) Tsy nivadika ve izy roa lahy? Ary inona no nahatonga ilay fanoherana?

Nitory tao Efesosy nandritra ny telo taona i Paoly, ary nahomby izany, ka Efesianina maro no tsy nanompo sampy intsony. (Asan’ny Apostoly 19:26; 20:31) Nanerinerina tao ny tempoly tsara tarehy nivavahana tamin’i Artemisy, andriamanibavin’ny fahafaha-miteraka. Nanana tempoly kelin’i Artemisy vita tamin’ny volafotsy koa ny ankabeazan’ny Efesianina. Nataon’izy ireo ody fiaro teny aminy, na napetrany tao an-tranony ilay izy. Azo antoka anefa fa tsy nividy ireny sampy ireny ny Kristianina.—1 Jaona 5:21.

Natahotra i Demetrio mpanefy volafotsy, sao hanimba ny varotra ataony ilay fitorian’i Paoly. Nampidi-bola be mantsy io asany io. Nanitatra sy tsy tena nilaza ny marina izy, ka nampiaiky ireo mpanefy volafotsy namany fa tsy hisy olona hivavaka amin’i Artemisy intsony eran’i Azia Minora. Tezitra ny mpanefy volafotsy, ary niantsoantso nankalaza an’i Artemisy. Nisavorovoro ny olona noho izany, ka ny iray tanàna mihitsy no nisahotaka.—Asan’ny Apostoly 19:24-29.

Olona an’arivony no nirohotra nankao amin’ilay kianja nahazaka olona 25 000. Te hiteny tamin’ilay vahoaka romotra i Paoly, saingy nandresy lahatra azy tsy hanao izany ny manam-pahefana tsara fanahy. Nahavita nampangina an’ilay vahoaka ihany ny ben’ny tanàna tamin’ny farany, ka afa-doza i Gaio sy Aristarko.—Asan’ny Apostoly 19:35-41.

Mety hisy hanohitra na horotahan’ny olona mihitsy koa ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa manao ny fanompoany ankehitriny. Matetika izy ireo no mitory ny vaovao tsara, any amin’ny tanàna anjakan’ny fanompoan-tsampy sy fitondran-tena ratsy, ary fandikan-dalàna. Be herim-po anefa izy ireo, toy ny apostoly Paoly izay ‘tsy niahotra nampianatra ampahibemaso sy isan-trano’ tao Efesosy. (Asan’ny Apostoly 20:20) Faly koa izy ireo mahita “ny fitomboan’ny tenin’i Jehovah sy ny fandreseny.”—Asan’ny Apostoly 19:20.

[Sary, pejy 30]

Sisa tavela tamin’ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra tany Efesosy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara