FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 1/11 p. 32
  • Mbola Hisy ve ny Tena Fahasambarana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Hisy ve ny Tena Fahasambarana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 1/11 p. 32

Mbola Hisy ve ny Tena Fahasambarana?

MAHAFINARITRA erỳ ny mijery ankizy falifaly miara-milalao amin’ny ray aman-dreniny be fitiavana. Tena mahatsiaro ho sambatra ny ankizy eo anilan’ny ray aman-dreny be fiahiana. Mahalana anefa vao misy ny fotoana mahafinaritra toy izany, ho an’ny ankizy maro. Tsy maintsy mitady toerana hatoriany amin’ny alina ny ankizy sasany, isan’andro. Mbola misy fanantenana ve ho an’ireny ankizy tsy manan-kialofana ireny, sy ireo olon-kafa izay tsy sambatra?

Toa manjombona ny hoavy, nefa manome fanantenana ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza mialoha ny mpaminany Isaia fa ho avy ny andro hiainan’ny olon-drehetra amim-pahasambarana tanteraka. Hoy izy: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa.”—Isaia 65:21, 22.

Fanantenana marim-pototra ve anefa izany? Tsy voatery ho azo antoka foana mantsy ny “fanantenana.” Fandre matetika any Brezila, ohatra, ilay fomba fiteny hoe “A esperança é a última que morre.” Midika ara-bakiteny izy io hoe: “Ny fanantenana no manjavona farany indrindra.” Midika izany fa maro ny olona mbola be fanantenana foana, na dia tsy misy antony marim-pototra hananana izany aza. Tsy mitovy amin’izany anefa ny fanantenana omen’ilay Andriamanitra velona antsika. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Tsy hisy ho diso fanantenana izay mino [an’Andriamanitra].” (Romanina 10:11) Noho ireo faminaniana ara-baiboly efa tanteraka, dia matoky isika fa ho tanteraka daholo koa ireo fampanantenana rehetra avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa tanteraka ireny fampanantenana ireny, dia hivalona ho tantara ireo olana manery ny ankizy hatory eny an-dalambe.

Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia afaka manampy ireo tsy manana fanantenana ny torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly, mba hanatsaran’izy ireo ny fiainany sy hahitany ny tena fahasambarana. Amin’ny fomba ahoana? Ho faly hanampy anao hahita ny valin’io fanontaniana io ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara