FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 1/11 p. 29-30
  • Mahasoa Antsika ny Fanetren-tenan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahasoa Antsika ny Fanetren-tenan’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 1/11 p. 29-30

Mahasoa Antsika ny Fanetren-tenan’i Jehovah

NIATRIKA zava-tsarotra maro i Davida. Nampijaly azy i Saoly Mpanjaka, rafozany. Intelo i Saoly no nikasa hamono azy tamin’ny lefona. Voatery nandositra foana koa izy, nandritra ny taona maro, satria nataon’i Saoly haza lambo. (1 Samoela 18:11; 19:10; 26:20) Nanampy an’i Davida anefa i Jehovah, ka namonjy azy, tsy tamin’ny tanan’i Saoly ihany, fa tamin’ny tanan’ny fahavalo hafa koa. Azontsika tsara àry ny fihetseham-pon’i Davida, tamin’izy nihira hoe: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy. Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ary ny fahamoram-panahinao [fanetren-tenanao, TV ] no mahalehibe ahy.” (2 Samoela 22:2, 36) Lasa lehibe na nalaza teo amin’ny Israely i Davida. Inona anefa no ifandraisan’izany amin’ny fanetren-tenan’i Jehovah?

Rehefa milaza ny Soratra Masina hoe manetry tena i Jehovah, dia tsy midika izany hoe voafetra ny zavatra vitany, na hoe fehezin’olon-kafa izy. Midika kosa izany fa be fangoraham-po amin’ireo miezaka mitady ny fankasitrahany izy, sady mamindra fo amin’izy ireny. Hoy ny Salamo 113:6, 7: ‘Miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany [i Jehovah]. Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy.’ Adikan’ny Baiboly sasany hoe “manetry tena mba hijery” ny hoe “miondrika.” (Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly Masina, anglisy) ‘Niondrika’ na “nanetry tena” àry i Jehovah mba hijery an’i Davida avy tany an-danitra. Nanetry tena sy naniry hanompo azy mantsy i Davida, na dia lehilahy tsy lavorary aza. Noho izany, dia nanome toky antsika i Davida hoe: “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra.” (Salamo 138:6) Nangoraka an’i Davida i Jehovah, ary namindra fo sy nanam-paharetana taminy. Tokony hampahery an’izay maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra izany.

Vonona ny hifandray amintsika tsirairay i Jehovah, na dia izy aza no Mpanjaka manana ny toerana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao. Manome toky antsika izany fa hanampy antsika foana izy, na dia ao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza. Tsy tokony hatahotra mihitsy isika hoe hanadino antsika izy. Mety tsara ny nilazan’ny Israelita fahiny an’i Jehovah hoe ‘nahatsiaro [azy ireo] fony [izy ireo] ambany toetra (fa mandrakizay ny famindram-pony).’—Salamo 136:23.

Mety hijaly toa an’i Davida koa isika mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Angamba isika esoin’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra, na koa miady amin’ny aretina, na nidonam-pahoriana. Na inona na inona zava-mitranga amintsika, dia afaka mivavaka amin’i Jehovah isika, ka mitalaho ny famindram-pony, raha tena tso-po. ‘Hiondrika’ hijery antsika izy amin’izay, ary hihaino ny vavaka ataontsika. Hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo, izay nahazo herin’ny fanahy masina: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” (Salamo 34:15) Manohina ny fontsika tokoa ny misaintsaina momba ny fanetren-tenan’i Jehovah, izay toetra mahatehotia!

[Sary, pejy 30]

Vonona hihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Davida

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara