FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 1/7 p. 32
  • Taratasy ho An’i Noa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Taratasy ho An’i Noa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 1/7 p. 32

Taratasy ho An’i Noa

“RY NOA, efa imbetsaka izay no namakiako tao amin’ny Baiboly ny momba anao sy ny fomba nanangananao ilay sambo fiara, izay nanavotana anao sy ny fianakavianao tamin’ny Safodrano.”

Izany no nanombohan’i Minnamaria, zazavavy 15 taona, ny taratasiny. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana manoratra taratasy, nataon’ny mpianatra 14 ka hatramin’ny 21 taona izy tamin’izay. Ny paositra failandey, sy ny Vondron’ny Mpampianatra Fitenin-drazana any Failandy, ary ny Fikambanana Momba ny Haisoratra Failandey, no nikarakara io fifaninanana io. Nasaina nanoratra taratasy niorina tamina boky iray ireo mpifaninana. Mety ho taratasy halefa any amin’ny mpanoratra ilay boky izy io, na any amin’ny olona iray ao amin’ilay boky. Nifidy taratasy 1 400 teo ho eo ny mpampianatra, ary nandefa azy ireny tany amin’ireo mpitsara. Nifidy iray izay omena ny loka voalohany ny mpitsara, ary folo hafa omena ny loka faharoa. Nisy folo hafa koa nahazo ny loka fahatelo. Faly erỳ i Minnamaria, satria anisan’ireo nahazo ny loka fahatelo izy.

Nahoana io mpianatra zatovo io, no nanoratra ny taratasiny ho an’i Noa, izay lehilahy niaina 5 000 taona lasa izay? Izao no nolazainy: “Ny Baiboly no zavatra tonga tato an-tsaiko voalohany. Lasa nahazatra ahy ireo olona resahina ao. Namaky zavatra maro be momba azy ireny aho, hany ka toy ny velona mihitsy izy ireny tamiko. Nifidy an’i Noa aho satria be zavatra mahavariana ny fiainany, fa tsy mitovy amin’ny ahy.”

Toy izao no namaranan’i Minnamaria ilay taratasiny ho an’i Noa: “Mbola ohatra tsara ihany ianao raha ny amin’ny finoana sy ny fankatoavana. Ny finoanao dia mampirisika izay rehetra mamaky Baiboly mba hanao zavatra amim-pinoana.”

Asehon’ny taratasin’io tanora mpamaky Baiboly io, fa “velona sy mahery” eo amin’ny olona rehetra tokoa ny Baiboly, na tanora izy na antitra.—Hebreo 4:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara