FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 1/5 p. 32
  • Mampahery Anao ve ny Tenin’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampahery Anao ve ny Tenin’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 1/5 p. 32

Mampahery Anao ve ny Tenin’Andriamanitra?

INONA no ataonao rehefa iharam-pisedrana? Nitadidy andinin-teny nifanentana tamin’ny toe-javatra nisy azy i Jesosy. Nanampy azy hiatrika ny fisedran’i Satana izany. (Matio 4:1-11) Nampahery an’i Davida Mpanjaka koa ny Tenin’Andriamanitra, rehefa voasedra izy. Hoy izy: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.”​—Salamo 94:19.

Afaka mampionona sy manatanjaka antsika koa ny mitadidy andinin-teny iray tena tiantsika, rehefa voasedra isika. Mpanompo manontolo andro efa hatramin’ny 1931, ohatra, i Rex, 89 taona. Hoy anefa izy: “Mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana aho matetika, rehefa mahazo fanendrena manokana eny amin’ny fanompoana.” Ahoana no niatrehany izany? “Notadidiko foana ny Ohabolana 3:5. Tena tiako io andinin-teny io. Toy izao no voalaza ao: ‘Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.’ Nahavita nanatanteraka ny asa nanendrena ahy aho, rehefa nitadidy sy nampihatra io andinin-teny io.”

Mandray soa koa ny tanora, rehefa mitadidy ny andinin-teny tena tiany. Milaza i Jack, izay enin-taona, fa ny Matio 24:14 no andinin-teny tena tiany. Io andinin-teny io no nahatonga azy hiara-mitory amin’ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Tiako ny miara-mitory amin’ny mamako sy ny dadako ary ny zokiko vavy, isaky ny asabotsy.”

Niatrika fisedrana mivantana i Jesosy. Voasedra toy izany koa ve ny finoanao indraindray? Mety ho lasa anisan’ny andinin-teny tena tianao àry ny Filipianina 4:13. ‘Be ahiahy’ toa an’i Davida Mpanjaka ve ianao? Mety hanampy anao hiatrika izany ny fitadidiana ny Filipianina 4:6, 7. Manahy ve ianao indraindray sao ho very maina ny fanompoana nataonao ho an’Andriamanitra? Hahazo hery àry ianao, raha mitadidy ny 1 Korintianina 15:58.

Mamela ny Tenin’Andriamanitra hanan-kery eo amin’ny fiainantsika isika, raha mitadidy andinin-teny mifanentana amin’ny toe-javatra misy antsika. (Hebreo 4:12) Manatanjaka sy mampionona antsika ireny andinin-teny tena tiantsika ireny.​—Romanina 15:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara